Edito

Fambara loza…


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Tsy finoanoam-poana fa tena mitombina tokoa ny voalazan’ny Baiboly amin’izao fotoana, raha hampifandraisina amin’ny tontolo politika sy ny fiainam-piarahamonina Malagasy ankehitriny.

 

 

Rehefa ny demonia no mitondra sy mandrisika dia misy ireto zavatra ireto foana matetika miseho. Ny faty olona : mba hanoherana ny didy hoe aza mamono olona, mba hanaovana sorona hiakarana avoavo, ary koa mba hampaloto ny lalao satria ny faty dia maloto raha ny Soratra masina no jerena. Ny lainga : mba entina hamitahana ny olona, hanoherana ny didy hoe aza mandainga, mba hamadihana ny marina ho diso ary hanamarinana ny diso sy meloka. Ny fanompoan-tsampy : mba hanoherana ny Avo Indrindra, hitaritana ny olona hivily tsy hanaraka ny Avo Indrindra, mba hahazoana ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao ity. I Mamona na ny vola no sampy lehibe hampanompoana ny olona amin'izao fotoana izao, indrindra fa mandritra ny propagandy. Ny Fanandratan-tena : mba tsy hananan'ny olona mitarika na tarihina-fanetren-tena, ka tsy hanekeny ny fahadisoany fa mitady ny hevitra rehetra hanamarinan-tena, mba hanoherana  ny soratra masina milaza fa aza manandra-tena, mahaiza manetry tena ary aza manamarin-tena. Ny vokatr’izany rehetra izany dia, loza, ozona, fahavoazana, fahaverezana, ka mila fifohazam-panahy. Tsy hanonona ny anaran’iza na iza, ary tsy mitsaratsara fahatany, fa misy mpanao politika eto efa nanitsoka lalina ny firenena, efa nambotry an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, kanefa dia mbola midingin-drambo hatrany e! Mbola mirehareha sy miriaria fa tompon’ny vola sy harena, hono, ka mahavidy vahoaka amin’ny fifidianana. Efa fambara loza ho an’ny firenena izao ary tsy atao mahagaga raha misy ny tsy fifampatokisana miteraka fisamatsamahana toy io fizaran-kevitra amin’ny hirosoana na tsia amin’ny fifidianana io. Ny tsy azo lavina dia efa nisy ny afo efa nandoro ny lamba, ka sao hidiran-doza eto indray noho ny tsy fiheverana kely jamban’ny sehoseho sy vola kely tsy mankaiza e! Soa kenda hahay hitsako, ary soa lavo hahay hamindra, fa raha amin’ity no mbola ho solafaka dia any an-davaky ny liona no hiafarana!

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT