Edito

Fambara loza


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Mafana ny raharaham-pirenena, mangotrakotraka ny politika ! Mitohy ary miha mitombo ny fitokonana isan-tsokajiny. Raha tsy mbola voalamina tsara akory ny an’ny mpiasan’ny fananan-tany sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana dia hanomboka hitokona koa ny mpiasan’ny tahirimbolam-pirenena etsy

 


Antaninarenina. Asa na misy ifandraisany amin’ny fanesorana ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-pirenena izy ity na ahoana fa dia ho hita eo ny fivoakany anio. Niaiky koa ny fitondram-panjakana fa tsy mety ny nataon’ny filohan’ny faritra Vakinankaratra izay nangata-bola tetsy sy teroa hampiasain’ny antoko HVM. Ampy nanesorana azy tamin’ny  toerany izany. Nosoloina ihany koa ny filohan’ny filankevi-panjakana. Raha olona tsotra mandinika maimaika dia hilaza fa mametraka ny olony ny HVM mba hanamafisany ny fitondrany. Fa moa ve izay no vahaolana tsara indrindra ? Efa tena mitombo isan’andro ny olona tofoka amin’ny afitsoky ny fitondrana, be loatra ny andrakandrana, fanapahan-kevitra sampona, fitarazohan’ny fandraisana andraikitra. Efa marefo ilay fitondrana, tsy tafapetraka tsara ny fahefam-panjakana kanefa mbola manangan’ady sy mamboly fahavalo etsy sy eroa ihany ny mpitondra. Ny olana dia ny vahoaka foana no mizaka ny fikatonan’ny tahirimbolam-panjakana sy ny tsy fisian’ny fitsarana ary ny tsy fahafahana mikarakara taratasy eny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany noho ny grevy. Maro ireo mihevitra fa efa fambara loza ho an’ny fitondrana HVM izao zava-mitranga rehetra izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT