Edito

Fambara amin’ny hoavy


  • Zoma 14 Aogositra 2015

Miha mazava tsara indray izao ireo ankolafy politika miaraka sy ny ezahana fehezina na sakatsankanana


. Manomboka mibosesika ny fanehoan-kevitra taorian’ny fahavitan’ny fifidianana Ben’ny tanàna satria manomboka hita soritra hoe ireo matanjaka sy marefo. Dingana tsy maintsy nolalovana iny fifidianana iny satria hamaritra ny mety ho endriky ny Antenimierandoholona. Azo ambara koa anefa fa fifidianana savaranonandon’ny amin’ny 2018, fifidianana filoham-pirenena iny. Efatra aloha hatreto ny firehana politika hita hoe misongadina dia ny HVM, TIM, Mapar ary ny tsy miankina. Lojika be raha manana kandida filoham-pirenena ireo ankolafy politika 4 ireo amin’ny 2018 ka mety tena hafana ny fifaninanana ary azo antoka fa tsy maintsy hisy ny fihodinana faharoa ka ao vao tena hifanjija ny kandida 2 atosiky ny antoko na vondrona politika 2. Iza ireo tsy mbola fantatra mazava fa ny tantara no hitsara no sady mbola maro be ny zavatra tsy ampoizana mety hitranga ao anatin’ny 2 taona sy tapany. Tsy manakana ny paikady politika anefa ny tombantombana fa dieny izao dia efa samy mihetsiketsika ny rehetra ka ao ny mampiasa hafetsena, ao ny mampiasa atidoha, ao ny mampiasa fahefana. Tsy azo adinoina ihany koa fa manaraka akaiky ny zava-misy eto amintsika ny sehatra iraisam-pirenena, mety manana ny olona eritreretiny hiaro ny tombontsoany koa izy ireo. Misy koa anefa ny tena tia tanindrazana eto ary efa nampiseho fa sahy ary tsy mikoso-maso hanasoa ny firenena na dia asa tena sarotra tokoa aza izany.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT