Firifiry moa izany izay ny trano, fonenana, toerana, eny tanàna mihitsy aza no may kila tao anatin’izao fitondrana vao tsy ampy roa taona izao akory? Tsy sanatria fota-mandry
no tiana hifoha na tantara toa nofy ratsy ihany koa fa ny zava-nisy nolalovana teto amin’ny firenena tao anatin’izay fotoana vitsy izay dia saika nampametra-panontaniana ny maro avokoa. Fa dia nahoana loatra no toa famaizana miampy fahamaizana foana no mitranga? Fanontaniana goavana maha lasa saina izany. Vao voambara teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana mihitsy ny fahazoan’izao fitondrana izao alalana hitondra ny tany sy ny fanjakana dia sambany no nanjombona noho izany anton’izany ny lanitr’I Gasikara, hoy ireo mpandinika tamin’ireny fotoana ireny, nahita ilay herika manify nirotsaka teo Ambohidahy. Tao anatin’ny fotoam-pianianana, nirotsaka ny vatobe namoizan’aina olona maro tery Ampahamarinana. Niakatra ny rano tany amin’ireo faritany sasany kanefa tsy rivodoza na tafiotra mahery no nandalo fa ora-nikija naharitra. Enim-bolana teo izay dia saika nahenoana matetika toerana may, araka ilay voalaza teo, teto an-drenivohitra. Ny any amin’ny faritra moa dia mbola ady mafy hatrany ankehitriny ny fananarana ireo olompirenena tsy handoro ala. Tsy nisy fiovana na ny fomba fanao politika na ny tolo-bahaolana sy tekinika enti-manarina ity firenena ity fa dia saika ny eo ihany no miodinkodina ary na ilay fanahiana hampandova dezaka ny taranaka aza toa tsy mbola voasoroka fa vao miha mitady hiitatra vokatr’izao fampandeferana soatoavina anaty fahamehana izao. Tonga indray koa ity ny aretina izay afaka andro vitsy sisa dia feno ny 5 volana tsy nahafehezana azy. Loza miampy loza, famaizana miampy fahamaizana toy izany foana ve izany no mbola hiainana eto mandritry ny 3 taona mahery ho avy, sanatria ny vava? Na ireo tetikasa isan-karazany an’ny fanjakana aza mampametra-panontaniana ny fahafaha-manatontosa azy sy ny soa mety ho rantovin’ny vahoaka aminy ary saika miato atenatenany hatrany hatreto. Sao dia mba mila fandinihan-tena faobe ihany aloha mba hahafahana mifamela sy miara-mikaro-bahaolana?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.