Edito

Faly sahirana


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Mifamahofaho eto amin’ny tany sy ny firenena ny lafin-javatra maro, izay ao ny toa mamohafoha ny afon’ny fanantenana, saingy eo ihany koa ny toe-javatra toa mahavalaketra ny ambanilanitra.

 

 

Toa nirehitra ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ary mandeha ny fampitahana fa isan’ireo maherifon’i Afrika ny Filoha Malagasy ankehitriny taorian’ny hafatra nataony ho an’ny Frantsay sy ny iraisam-pirenena. Mahafinaritra, mila fanohanana, ary indrindra firaisan-tsaina izany. Misy ihany anefa ny manalasala raha hiverenana ny tantara hatrany am-piandohana, niainga tany amin’ny 11 taona lasa. Ny ahiahy ihany koa mantsy tsy hihavanana, hoy ny Ntaolo. Iza sy firenena avy aiza no niainganin’ny fanampiana ilay ambara fa mpitari-tolona hanao revolisionina lehibe teto amin’ny firenena? Izay tokoa angamba ilay hoe amin’ny politika, dia tsy misy mpinamana mandrakizay na mpifahavalo mandrakizay. Misy fomba fiteny vahiny ihany koa anefa hoe: “don’t bite the hands that feeds you” na hoe aza manaikitra ny tànana mamahana sakafo anao. Asa aloha izay hiafarany, fa ny hirariana dia hizotra amin’ny tena fanirian’ny Malagasy mba hisandratra fa tsy habadoin’ny mpanjanaka lava eto. Mba tena hisy vokany amin’izay ny kabary politika re hatrizay, fa tsy ho fampanofinofisana intsony. Etsy ankilany, mila amboarina ny paikady amin’ity valanaretina mahavalaketraka ity. Tena tsy voafehy, tsy mandry ny saim-bahoaka na ambara aza fa efa misy fanafody fanefitra sy mahatsabo. Mitombo isa hatrany ny voa. Mahavalalanina ny toe-javatra tsy mandeha amin’izay laoniny, toy ny resaka antontan’isa izay tsy niakatra ny isan’ny fitiliana, fa niampy 20 ny voa. Disodiso tsy nahy sa sanatria misy kajikajy avo lenta mandeha?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT