Edito

Fakana an-keriny zanaka karana iray Ana-miliara naloa, nefa mbola tsy votsotra


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Very hevitra tanteraka ny fianakavian’i Owne Alek, 25 taona, ilay zanaka karana nisy naka an-keriny tao Toamasina ny harivan’ny talata 24 jona 2014 teo tao an-tranony ......

Ambohijafy Toamasina, na teo aza ny antso avo nataon’izy ireo tamin’ireo fahitalavitra sy onjam-peo samihafa. Araka ny fantatra anefa dia efa voaloa ny sabotsy 28 jona 2014 tokony ho tamin’ny 7ora ny vola be ana miliara notakian’ireo jiolahy ho takalon’ny famotsorana azy. Hatramin’izao anefa tsy hita ny misy io tovolahy io. Araka ny fanazavan’ireo fianakaviany dia olona voan’ny diabeta i Owne Alek ka mila mitsindrona isan’andro. Manahy ny ain’ity tovolahy ity ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany ary ireo teratany karana ao Toamasina manoloana izao tsy fahitana azy izao. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana ireto fianakaviana ireto amin’izao fotoan’ny Ramadany izao mba hanao ezaka ahitana azy. Nilaza ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana fa tarik’i Djaffar Younous no ao ambadik’io fakana an-keriny io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT