Lasibatra tato ho ato tamin’ny fakana an-keriny sy fanafihan’ireo jiolahy mpitam-basy kalaky sy PA, ny karana sy ireo tranombarotra mpamongady ary ireo trano fisotroana.
Tao anatin’ny roa herinandro izao dia tranombarotra niisa 7 no notafihan’ireo jiolahy mandeha andiany 4 na 8, efa nahatratra an-jatony tapitrisa ariary ny sandan’ny vola sy entana very. Raha ny teo amin’ny fakana an-keriny indray hatreto dia miisa 5 ireo olona tsy mbola hita ka vehivavy ny 2 tamina lamba tonta iray kaontenera namidy maika 30 tapitrisa Ar. Lehilahy kosa ny 3 ka eo ilay zanaka karana efa nandoavana vola be ana miliara sy ireo mpamongady 2 izay nisy niantso ihany koa fa misy lafarinina hovidiana ary nitondra vola 40 tapitrisa Ar. Vokatr’ireo asan-jiolahy ireo, dia nanaparitaka ireo olombelony ny zandary sy ny polisy izay mameno ny arabe sy ny tsena ary ireo toerana be tranombarotra tamin’ity herinandro ity. Nohamafisin’izy ireo koa ao anatin’izany ny fisavana fiara sy ny moto, indrindra ireo scooter, saingy tsy mbola nisy aloha ny vokatra. Na izany aza, nilaza ireo mpitandro ny filaminana fa 100 andro ny an’ireo jiolahy, fa iray andro monja ny anay hahazoana azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.