Fairano miandalana!

Ny tetibola moa izany ireny efa niaraha-nahita tamin’ny fikirakiran’ireo


  • Talata 09 Jolay 2024

solombavambahoaka namarana ny fotoam-piasany teo ireny fa dia tsy nasiam-panintsiana.

Nambara ho voatery nahena raha fehezina ny fomba filaza azy miaraka amin’ity antsoina hoe «coupe budgétaire», izay raha adika malalaka amin’ny tenin-drazana dia tena hoe fanapahana tetibola, araka izay tokoa. Mitohy izany atao hoe mifehy kibo na koa hoe politikan’ny fitsitsiana, raha hiresaka kitapom-bolam-panjakana, fa etsy ankilany koa anefa ilay vahoaka malagasy izay efa niharitra fidangan’ny vidim-piainana tao anatin’ny maherin’ny 5 taona dia vao mainka izany izy izao hiharitra mihoatran’izay efa niaretany teo. Ho an’ny mpiasam-panjakana no hoe efa 4 taona na mahery aza no tsy nisy fisondrotan-karama fa mainka moa izany aty amin’ny sehatra tsy miankina? Manery nefa etsy andanin’izay ny tahirim-bola iraisampirenena ny amin’ny tsy ampiharana amin’izay ny vidiny tena izy eo amin’ny famarotana solika eto amin’ny firenena. Iaraha-mahalala nefa ny ho vokatr’izay ao anatin’izao odidina na «contexte» politika sy sosialy eto amin’ny firenena izao fa vao mainka ho fihenan’ny fahefa-mividin-dRamalagasy. Ny vidim-piainana nefa amin’io ahiana hidangana. Fahiranon’ny vondrona iraisampirenena amin’ny alalan’ny FMI izay hita miandalana izay fa fairano miandalana hita ara-bakiteny koa etsy an-kilany ary saika nampitaraina an’Antananarivo sy ny manodidina na dia efa zary fiainana mahazatra ny any amin’ny faritra hafa aza ny tsy fisian-drano. Tamin’ny ankapobeny izany dia hoe tapaka nanodidina ny tamin’ny 5 ora maraina tany ny rano tamin’iny omaly iny dia taty amin’ny 7 ora hariva taty vao niverina saingy, raha tamin’ny 7 ora hariva io ianao no nanomboka nameno sinibe dia tany amin’ny tamin’ny 9 ora alina izany vao feno. Fitarainana raim-pianakaviana teny amin’ny boriboritany faha 3 teny indray izany fa tsy teny Itaosy irery ihany toy ny mahazatra intsony. Izany no zava-misy eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Fairano miandalana no mihatra aminy, na an-kolaka io na ara-bakiteny. Asa na ho tratra ao anatin’izao ihany ilay tarigetran’ny filoha hoe tsy maintsy mandroso! Tsy maintsy any aloha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT