Edito

Fahotana mahafaty


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Hoy ny fomba fitenintsika Malagasy izay hoe : « naniry zaza ka tera-dahy ». Izany mihitsy no manjo ny fitondram-panjakana ankehitriny taorian’ny amboletra nampandaniana ilay « lalàna Andrianjato » ;

tsy fiarovan-tena be fahatany ny an’ny mpanao gazety na fitiavana hanakiana ny mpitondra na fanambonin-tena sanatria fa tenamisy zavatra tsy milamina ao anatin’ilay lalàna mifehy ny serasera. Namitaka ny fitondram-panjakana, satria efa nisy ny zavatra nifanekena, nandritra izao fitondrana Rajaonarimampianina izao ihany, fony Reboza Cyril minisitry ny serasera, saingy novaina tanteraka izany dia nanaovana pasoka daomy ambany latabatra dia io lany tamin’ny misasak’alin’ny alakamisy io raha samy variana nijery Euro ny rehetra. Nanomboka nivoaka omaly ny fanambarana avy eto an-toerana sy avy any ivelany manameloka ity andalana nataon’ny governemanta sy ny depiote marivo salosana miampy mpikarama an’ady ity. Tsy maika nandany an’io raha olona tena mandinika tsara ny soa iombonana sy ny ho avin’ny firenena marina, fa asa hoe iza sa inona no mibaiko ireto amahana depiote milaza azy fa maro an’isa eny Tsimbazaza ireto. Fahotana mahafaty ho an’ny mpitondra izany mamaky ady amin’ny mpanao gazety sy ny tontolon’ny serasera izany fa dia asa mihitsy izay tena tao an-tsain’ny sasany. Ny aina no matezà fa diavolan-ko lava, ny lalao mbola ho ela e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT