Edito

Fahoriana tsy hita 60 taona


  • Talata 06 Aprily 2021

Fomba firesaka mampiavaka ny Filoham-pirenena Malagasy ankehitriny ny hoe :

 

 

 « hanao ny tsy vitan’ireo Filoha nifandimby tao anatin’ny 60 taona ». Izy angamba no Filoham-pirenena fatra-panome tsiny sy maneho mivantana na ankolaka fa tsy nahavita ny teo alohany. Rehefa tena zohiana anefa ny tantara, saika potika sy rotika tanteraka ny firenena taoriana fandraisam-pahefana in-droa nataony. Mbola tsy niaina fahoriana sy fijaliana tahaka izao ny vahoaka Malagasy tao anatin'ny 60 taona. Maloka tanteraka ny fiainam-pirenena, maneno sahona izay rehetra atao,... Migoka ny mangidy sy ny mafaitra ny besinimaro, mibaby fahoriana ny maro an’isa, ary na inona na inona fanadiovan-tena, dia nisy hadisoana goavana nataon’ny mpitondra tao anatin’izany. Marina fa mamely maneran-tany ny valanaretina, saingy ny Filoha sy ny Mpitondra Malagasy no isan’ny lohalaharana tamin’ny fanamaivanana azy io. Indrisy fa ny Malagasy rehetra no mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana. Asa inona loatra no mari-pandrefesan’ny mpitondra ny atao hoe vahaolana na fandrosoana sy fampandrosoana mifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka? Mba efa naka lesona tamin’izay zava-nisy sy lesoka mila harenina hatramin’izay ve? Ao anatin’ny roa taona sy tapany no hampanantenana zavatra maro, nambara fa manomboka amin’ity taona 2021 ity no fanovana tanteraka an’I Madagasikara. Raha tarafina amin’izay roa taona sy tapany vita izay na koa todihana hatramin’ny 5 taonan’ny tetezamita, moa misy azo antenaina firy ve amin’ny fitondrana ankehitriny? Nampanantenaina fiovana goavana na amin’ny paikadim-pitantanana sy fampandrosoana ny Malagasy, nomena tokony tamin’ny alalan’ny velirano,… Nofendrofendroina tamin’ny resaka maneho fitiavan-tanindrazana sy hambompom-pirenena ny Malagasy, toy ny resaka famatsiam-bola avy any ivelany nambara fa tsy mahasoa, ny Nosy Malagasy nampanantenaina fa hiverina, nolazaina fa isika no hanavotra izao tontolo izao,… Aiza izany ankehitriny? Mbola tsaroana ihany ve ny teny sy ny toky nomena ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT