Edito

Fahazarana sarotra ialana


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Na hitanisa faha zato faha arivo eo aza ny mpamakafaka karazany rehetra izay misy fa 7,3% teo ny harin-karena hatramin’ny taona 2008. Tafidina 0% izany tao anatin’ny tetezamita taorian’io.

Tafakatra 5% mahery indray avy eo hatramin’ny taona 2018 saingy ankehitriny dia miiba na lasa -7% mahery izany harin-karem-pirenena izany dia toa tsy ho azo an-tsaina hiheritreritra ny anton’izany intsony angamba izao fitondrana izao. Toy ny efa fahazarana sarotra ialana ilay mamono afo sy manao tapimaso araka ny fitenenana amin’ny alalan’ilay fanaovan vatsy tsinjo sy tosika fameno nandimby ireo tolotra sosialy natao tany amin’ny taona 2009 sy ny manodidina azy tany ho any. Tsy mahagaga raha tsy hahalala fandrosoana sy fampandrosoana intsony avy eo ilay firenena satria na ny politikan’ny fiarenana ara-toekarena na ny tena jery lavitra momba ny fiainana ara-tsosialy tokony hifampiankina amin’izany dia hita ho tsy voajery intsony. Miteny indray moa izao ireo mpiaradia amin’ny fitondrana hoe tsy efa fitsinjovana ny sosialy ve ity vary tsinjo 20.000 taonina mahery ity? 60.000 taonina any ho any mihitsy aza, hono, no mbola ho tratrarina! Ekena! Saingy hitsinjo ny fiveloman’ireo traboina maharitra ve izany? Hahafahany manarina ny fahavoazany sy ny fihariany ve? Raha sanatria isan’ireo tototr’iny ranobe nandalo iny ny tanimbariny? Fotsimbary sa masomboly, ohatra, ve no ilainy ao anatin’izany? Mandindona indray io izany ny rivodoza manaraka. Azo antoka fa tsy hiverina ho traboina ve ireny traboina teo ireny na sanatrian’izany hiampy isa aza? Efa ela ihany no nanoroana izany hoe fitsinjovana mialoha izany no atao hoe mitondra saingy izay foana moa ilay zava-misy nifandovana teo amin’ity fitantanana an’ity Madagasikara ity. Izay tafiakatra eo dia mahay be daholo. Tsy misy azo atoro. Tao anatin’ny tetezamita notarihin’izao fitondrana izao no nampitotongana ny harinkarena ho 0% ary tao anatin’izao fitondrana izao, izay efa repoblika fa tsy tetezamita intsony, no vao maika nitsotsorika ho miiba 7% mahery izany. Inona moa no maha samihafa ny fomba fitantanana tao anaty tetezamita sy ny amin’izao anefa ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT