Fahavalom-pirenena izay manakantsakana azy tsy handroso, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa misy ny manakana azy tsy handroso amin’ny heveriny fa fampandrosoana ataony.
Asa na mahalala ny soatoavina Malagasy ihany na dia diso mahatoky tena loatra ka tsy mifidy vava havoaka. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny lohan’ny mpitondra sy ny heviny izany dia fahavalo avokoa. Marina fa manam-pahefana sy mpitantana ny firenena, saingy fomba fiteny sy firesaka mpitondra tokoa ve ireny? Sa kosa efa nivadika fitondram-panjaka na koa fitondran’i Baroa ny eto ka ny didy jadona sy ny hamboletra no lehibe indrindra? Efa andron’ny demokrasia ny eto izao, fa tsy sanatria fahefan’ny olona iray tsy refesi-mandidy. Ekena ny fahefam-panjakana, fa kosa mila hajaina ihany koa ny hevitry ny hafa fa tsy hanaovana kely tsy mba mamindro. Afaka maneho ny heviny sy miteny ny heveriny fa tsy mety ny rehetra. Firifiry ny mpitondra teto no nilaza ho matanjaka sy nampiseho fa manana fahefana tsy hay tohaina, saingy nikoa ihany ny farany. Tsy mba nahay naka lesona, ka io fa manaonao foana. Tsy ampahafirin’izay fitondrana natanjaka teto ny fanjakana Rajoelina na nahavita nanongam-panjakana aza tany aloha. Betsaka ny zavatra azo atao eto, ary raha tena mafy ny fanjakana dia haseho amin’ny alalan’ny famahana ny olana mianjady izany. Maro ny zavatra maika sy tokony hatao laharam-pahamehana kokoa, saingy any amin’ny Tana-masoandro aloha no tena hanompanana ny adihevitra. Ny tena zavatra miseho dia tsy mahomby sy tsy mahavaha olana ny fanjakana, ka mitady hirika hanehoana sy hanaovana serasera fa miasa. Ahilika any amin’ny mpanohitra ny tsy fahombiazana rehetra. Sao dia mila mandini-tena sy miezaka maka ny fon’ny Malagasy aloha, vao miroso amin’ny ambara fa fampandrosoana tiana hatolotra ny ambanilanitra? Tsy ho zakan’ny mpitondra raha ireo vahoaka ireo no mitroatra, ka sao lahy hidi-bingo noho ny fahatokisan-tena diso tafahoatra. Am-bava homana, am-po mieritreritra!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.