Edito

Fahavalom-pirenena hoe e ?


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Niparitaka sy nisy nivoy omaly indray moa ny fanamarinana ny maha frantsay ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, sy ny ankohonany manontolo.

Talohan’izay, raha tsaroantsika, efa nisy nanaparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera sy haino aman-jery teny koa ny kara-panondro maha olompirenena frantsay azy. Tokony ho filoham-pirenena malagasy ve izany andriamatoa Andry Rajoelina sa tsia? Adihevitra nisokatra nanomboka omaly izay fa fanontaniana mipetraka miaraka aminy ny hoe haharitra herinandro dia lefy toy ireo adihevitra nafana efa nisy tany aloha indray izay sa mety hanao ahoana sy hatraiza ny tohiny? Niresaka momba ny atao hoe fahavalom-pirenena ny minisitra iray eto amin’ny firenena izay manana marim-pahaizana miisa 2 amina seham-pampianarana heverina tena samihafa fizotra nefa hainy ny nampifandray azy dia ny resaka lalàna sy fahasalamana. Tsy idirantsika lalina ny amin’iny fa mba maha velom-panontaniana sy mahagaga ihany kosa raha heverina ho tokony isan’ny vato nasondrotry ny tany sy reharehan’ny firenena tahaka izany no milaza fa «fahavalom-pirenena izay mampirisika tsy hanangan-tsaina ary tsy manan-jo hanompo tanindrazana na hiteny amin’ny maha olompirenena.». Raha olompirenena mahatsapa fa mbola tsy mahaleotena ny fireneny ka hanao hetsika amin’ny endriny manaraka ny toetr’andro hiverenana tena itakiana izany indray ve izany, amin’ny alalan’izay tsy fananganana sainam-pirenena izay, ohatra, no atao hoe fahavalom-pirenena sa ny tomponandraikitra nitantana ny firenena nahatonga ilay firenena anaty fahantrana lalina toy izao? Izany ve no atao hoe fahavalom-pirenena sa ireo mahatonga ny fihariam-bahoaka, fandriampahalemana, vidim-piainana ho tsy vanombanona ankehitriny manoloana ity delestazy tsy mety mifarana fa vao mainka miha mafy amin’izao fotoana izao ity? Izany ve no fahavalom-pirenena sa ireo nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena na namafa ny tantaram-pirenena tamin’ny alalan’ny fanovana ny endrik’ireo vakom-pirenena ary miaro fotsiny izao ny tombontsoana firenen-kafa fa tsy ny an’ilay firenena lazainy fa tiany sy hoe hanaovany velirano fa tsy maintsy vitany ny manavotra azy? Miandry valiny hatramin’izao moa ny mpanara-baovao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT