Fihodinana fahatelo, hono ity, ho an’ilay kandida filoham-pirenena tsy nolaniana tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana natao teto amintsika farany teo sy ny ekipany.
Araka ny hira fanevan-dry zareo moa dia tena heno mihitsy ny fahatokisan-tenan’ity filoham-pirenena teo aloha ity sy ny ekipany fa mba ho azon’izy ireo kosa ity fihodinana fahatelo ity. Tahotra an’izany ve no anton’ny fihetsiky ny filoham-perinasa tato ho ato izay toa hita ho mizotra any amin’ny fandikan-dalàna hatrany hatrany ka mampiseho fiandaniana sy fanohanana an-kolaka ireo kandida ho depiote izay mitonona anarana ho miaraka aminy. Miantoka ny aim-pirenena ny fifidianana ho solombavambahoaka satria moa izany izay ho lany eo dia hanao indray ny lalàna ifehezana ny tany sy ny firenena. Tsy diso ny filazana fa miankina tokoa amin’izay lalàna eken’ireo depiote vaovao holaniana ny fahafahana mampandroso na tsia ny firenena. Fanontaniana tsy azo hihodivirana koa anefa hoe tena hiasa sy hampandroso araka ny tokony ho izy tokoa ve ity fitondrana ity raha mahazo ny maro an’isa eo ? Mbola misy 5 taona moa ahafahana mitsara an’izay fa ny zava-misy sy mampimenomenona ny maro dia ity filoham-pirenena milalao ny andininy faha-49 ao amin’ny lalàmpanorenana ity. Ilay lalàna rahateo koa moa azo lazaina hoe izy sy ny ekipany ihany no nanao azy ary tsy vitan’ny nolaniana kitoatoa tamin’ny karnem-pokontany fa toa sady fanahiniana natao nanjavozavo izany. Rehefa te hanohitra ny voalaza ao dia mahita voambolana hahafahana manazava izany ary rehefa te hanao ny mifanohitra amin’izay dia mahita voambolana mifanaraka amin’izay ihany koa. Adidy goavana miandry izay depiote ho lany amin’izao fihodinana fahatelo sady farany izao, araka izany, ny hamadika io lalàmpanorenana io mba ho mora vakiana sy mora ampiharina, araka ilay voambolana iraisampirenena hoe « scripto sensu » fa tsy ho raisina amin’izay tiana andraisana azy intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.