Edito

Fahasahiranana tsy miato


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Anaty fiatoana politika moa isika izao, raha ny mahazatra fivoin’ireo mpitondra fanjakana isan-taona.

Tsy vitsy ihany koa ireo herivelona eto amin’ny firenena ny miantso ny amin’ny mba hanajan’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka izany. Etsy ankilany dia heno isan’andro ny fitarainan’ireo valalabemandry na koa mbola antsoina hoe vahoaka tsy mandady harona manoloana ny fahasahiranana tsy miato hatrehiny. Ny fahasahiranan’izy ireo ve izany tsy mba afaka miato fa ny famahana izany fahasahiranana efa maherin’ny 60 taona izany kosa afaka hahato hatrany rehefa mandeha ny toromarika hoe tsy maintsy ahato? Ny sakafo hohanina isan’andro manahirana. Ny fandriampahalemana manahirana ary lalina koa ny fanontaniana mamaky ny sain’ny olom-pirenena sy ny mpanara-baovao maro ankehitriny manoloana ny filazan’ny minisitry ny fiarovana fa ao an-damosin’ny filoham-pirenena ny tafika. Tsy ao ambadiky ny vahoaka na tsy ilay hoe tandroka aron’ny vozona intsony ve izany? Ny fihariana, indrindra, izay miangina amin’ny angovo sy herinaratra, tena manahirana. Ny fandaniana angovo sy herinaratra hampanjelanjelatra ny tanana nefa tsy toko tsy forohana, hoy ny fomba fiteny izany. Ny solika manahirana. Aiza ho aiza tokoa moa izany no hahafahana mitony ao anatin’izany rehetra izany? Hitondra vonjy ho antsika tokoa anie iny fetin’ny famonjena nandalovana teo iny, na ho an’ireo mpino izany na tsia, ary ho tosaky ny soa ihany koa io taona hoavy efa akatoka io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT