Edito

Fahasahiranana miampy


  • Zoma 12 Jona 2020

Fahasahiranana miampy fahasahiranana! Izay no azo amintinana ny andavan’androm-piainan’ny malagasy ankehitriny.

 

 Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy noho ireo zava-misy eo amin’ny tontolon’ny toekarena. Tsy voafehy, hoy ireo mpahay toekarena, ny lalanan’ny tolotra sy tinady. Lojika satria voafetra tsy fidiny ny fihariana. Mitombo ny fihanaky ny aretina lazaina fa voafehy. Ao anaty fiainana savorovoron-tsaina nohon’ny mbola tsy fandresena ny Coronavirus no hitrangan-java-maro manimba kolontsaina sy soatoavina ihany koa. Fifandirana nateraka fisiana fotodrafitrasa miorina anatina vakoka manan-tantara ho an’I Madagasikara no nampirongatra indray ny resaka fanavakavahana isan-karazany izay mampametra-panontaniana hoe iniana volena mihitsy tokoa ve? Toa tsy mahagaga raha misy ny valim-panontaniana tokana sady mazava avy amina mpanao politika hoe “Tsy fantatro” rehefa hanontaniana hoe inona no voafehy eto? Inona tokoa moa izany ilay voafehy. Ny mampanahy ireo maneho hevitra momban’ny toe-draharaham-pirenena aza dia ny hitaran’izay tsy fahafehezana izay mihitsy kanefa raha vao mba mampaneno lakolosy fanairana ny amin’ny tokony hitandremana amin’izany anefa dia voasoketa hoe tsy tia tanindrazana. Miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fifanarahan-tsain’ireo mpitondra. Zava-doza izany satria mampametra-panontaniana hoe ataon’izy ireo aiza izany ity firenena ity? Tena misy tokoa ve ilay finiavana hampandroso azy sa tsy laharam-pahamehana nohon’ny adilahy politika izany? Hita ho adinon-drizareo any ambony any, arak’ilay hira iray izay, ny vavaky ny ety ambany. Ny vahoaka hatrany no hita ho tena mizaka ny vidin-tsolika tsy avela hidina vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Ny vahoaka hatrany no hita ho tena mizaka ny fihanaky ny areti-mandripaka tsy voasoroka ara-potoana. Na ny manazava ny anton’ny fanapahan-kevitra iray eto amin’ny firenena fotsiny aza anefa dia hita ho matetika samy manana ny azy ny filoham-pirenena sy ny mpitondra tenin’ny governemanta.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT