Edito

Fahasahiana sa fanonganan-tena ?


  • Zoma 29 Desambra 2017

Anisan’ireo firenena 128 nitsipaka ny maha renivohitr’Israely an’i Jerosalema i Madagasikara.


Vokatr’izany dia mety hianjeran’ny didy avy amin’ny prezidà amerikanina Donald Trump mampihena na manapaka mihitsy ny fanampiana ara-bola avy any Etazonia isika. Nilaza mantsy ity filohan’i Etazonia am-perinasa ity fa izay manohitra an’iny fanapahan-kevitra avy am-dry zareo Amerikanina hamindra ny renivohitr’Israely ho ao Jerosalema iny dia tsy mendrika ny hisitraka ny saosy avy amin’io firenena io. Tsy ny famindrana ny renivohitr’Israely ho ao Jerosalema no inona fa ity fijoroan’ny fitondrana Malagasy hanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin’i Donald Trump no mahavariana. Marina fa maro ireo fanjakana no nandà an’izany ary dia nandany volavolan-kevitra tao amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 21 desambra lasa teo. Tsy misy fiantraikany anefa io fanapahan-kevitra io satria manana an’ilay « latsabato tsy azo ivalozana » (droit de veto) ny Amerikanina koa dia tsy misy afaka misakana izay tiany hatao. Ny mahavariana dia izao : ankoatra ireo fanjakana arabo sy Silamo izay nampiaka-peo dia toa nangina na ny Rosiana na ny Sinoa izay fanjakana matanjaka eto ambonin’ny tany mitovy laharana amin’Etazonia. I Inde moa dia mody marenina fotsiny. Ny Arabo sy ry zareo Eoropeanina no tena be fiavy. Matahotra ireto farany fa sao manome vahana an-dry zareo Silamo mahery fihetsika iny fanapahan-kevitr’i Trump iny. Asa aloha izay hitranga fa tsy misy mpaminany eto. Raha tsarovana, tamin’ny taona 2001, volana vitsivitsy tsy hiandohan’ny fampielezan-kevitra dia nisy nanafika tamin’ny fiaramanidina nahodina teny an-dalany ny Twin Towers tao New York ka olona mihoatra ny 3000 no namoy ny ainy. Ny filoha Malagasy tamin’izany fotoana dia niteny hoe : “ny haratsian-toetran’ny Amerikanina no nahatonga an’iny”, anisan’ny antony iray lehibe nahatonga an’io filoha io ho resy tamin’ny fifidianana 2001 ary nanohanan’ny Amerikanina ny mpifaninana aminy dia i Marc Ravalomanana. Asa, mety mahira-tsaina noho i Amiraly Ratsiraka ve ny Expert-comptable Rajaonarimampianina sa misy firenen-dehibe mampirisika fa miandry saosy ampiasaina mandritra ny fifidianana avy amin’ireo Havana silamo…? Ny Malagasy dia mahafantatra tsara fa ny renivohitr’Israely nanomboka tamin’ny andron’ny mpanjaka Davida dia i Jerosalema. Ary rehefa noravan’ny Romana io tanàna io miaraka amin’ny Tempoly dia anisan’ny tarigetran’ireo Jiosy/Hebreo ny hamerina an’i Jerosalema ho renivohiny. Mety ho tanteraka ihany ilay fiteny hoe : “miverina amin’ny taniny ny Jiosy” .

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT