Faharatsiana mivaly soa ve ?

Lojika ve ny hoe : arakaraka ny tsy


  • Zoma 27 Desambra 2024

fahombiazan’ny fitondram-panjakana iray no vao mainka

hitiavan’ny vahoaka azy ? Tsy fitondrana vao sambany mitondra amin’io, fa efa nanana fe-potoana lava tao anatin’ny taom-piasana telo eo ka tsy afaka ny hiteny fa izahay aza vao 5 taona no nitantana ka aleo aloha ka tsy ampy hitsarana anay izany. Sarotra no mbola hisian’ny fahagagana satria efa hita ny fetra sy ny todin’ny bakam-pilesiny. Teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza sy manao tery vay manta amin’ny tian-kano tsy tian-kano sisa hita eto, fa raha izay tena fanohanana noho ny fankasitrahana ny fahombiazan’ny fitondrana dia tena nofy. Mandeha anefa ny fifidianana dia ireharehana èry fa nibata fandresena maro. Sady manao tamberin’ny taona isika hoe : andeha anie hotsiahivina fa tamin’ity taona ity, ary tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana mihitsy no nanjaka ny delestazy goavana tsy fahita tao anatin’ny 60 taona, ny krizin-drano tapitr’ohatra, ny fitotonganan’ny sandam-bola, ny fidangan’ny vidim-piaianana ka io iarahantsika miaina io izao fa efa any amin’ny 4000Ar ny Kilaon’ny vary,... Dia tena hoe : fahazoan’ny antokon’ny fitondrana toerana ben’ny tanàna manodidina ny 1000 isa amin’ny 1695 manerana ny Nosy ve no setrin’izany avy amin’ny vahoaka ? Miharihary ny kajikajy maloto samihafa, fifidianana lavitry ny tena fahamarinana, ny fividianana safidim-bahoaka, ny fitiavam-pahefana tafahoatra,… Dia ireny mahana sy mahatsiaro voatsindrona ireny ka na toritenin’ny Raiamandreny am-panahy mitory hanatra mba tsy hanao toy ny mpanjaka adala ka hampiasa miaramila sy hery hamonoana vahoaka aza toa manahirana ny mpitondra sasany. Henjana ilay fahatsapana fa manana hery sy fahefana tsy hay tohaina ka sanatrian’ny vava ny toriteny hataon’ny Raiamandreny am-panahy aza ve dia mila hakana fahazoan-dàlana any amin’ny manam-pahefana ? Tena efa mivadika angamba ny glôby ? Henjana ilay tsy fahazakana fahamarinana sy tsy mba fanekena ho diso io !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT