Edito

Fahantrana lalina


  • Talata 26 Mey 2020

Midina ny fahefa-mividin’ny valalabemandry. Maro rahateo ireo very asa vokatr’izao krizy izao.

 

 

 Ankoatran’ny krizy ara-pahasalamana izay efa miha miampy krizy sosialy dia miha marefo hatrany ihany koa ankehitriny ny toekarem-pirenena. Mikatso ny fizahantany, mikatso ny fahafaha-manafatra entana hifanakalozana ara-barotra, kenda ireo sehatra tsy miankina kanefa tsy misy topimaso avy amin’ny fitondram-panjakana akory, raha ny fitarainan’izy ireo mandrak’androany, raha toa ka efa 2 volana mahery izay no nisian’izao krizy izao. Raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny vakoka ihany koa manoloana ireo lazaina ho fanotana fady sy fanariana ny hasin’ireo toera-mana-tantara eto amin’ny tanana dia misy fikasana ratsy te hamboly krizy ara-kolontsaina koa izany any ho any mba tsy hilazana hoe krizy ara-tsaina satria famotehana ny tantara sy ny kolontsaina ary ny maha izy azy ny fiarahamonina malagasy mihitsy no mandindona hihanaka, raha ny fanahian’ireo mpahalala maro naneho hevitra hatreto aloha. Fehiny dia mandia fahantrana lalina ny firenena satria tsy vitan’ny sosialiny sy ny toekareny, araka ny voalaza teo ihany, no hianjadiam-pahantrana fa hatramin’ny kolontsainy sy ny tantarany ihany koa no tandindomin-doza tsy hisy ho lovain’ny taranany intsony. Izay very tantara anefa ho ratsy fiafara, hoy ilay mpahaifiarahamonina malaza izay. Sanatria ve izany dia mbola ao anatin’ireo firenena afrikanina ampiharana ny politikan’ny taona 70 sy 80 hatrany i Madagasikara dia tsy inona fa ilay hoe ampahantrao, abadoy, foano ny saranga an-tenatenany ao amin’ny firenenao raha tianao ny haharitra eo amin’ny fitondrana? Mampanahy tanteraka raha izany ny ho avin’ireo dimby sy fara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT