Fahantram-bahoaka sisa tsy resiny!

Fifidianana miisa 3 nifanesy izany izao, tsy resahina ny efa hita talohan’izay toy ny tamin’ny 2018


  • Alatsinainy 16 Desambra 2024

no mankany, no nirehareha ho mpandresy hatrany tanatin’ireo fifidianana natao teto amin’ny firenena ny fitondràna ankehitriny.

Nandresy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Toy izany koa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo satria hoe nahazo ny maro an’isa. Ankehitriny moa izany dia hoe nandresy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna satria ny renivohitra mihitsy no nahazoana fandresena miezinezina tamin’ny salan’isa 43% mahery. Mitonona ho mpandresy hatrany, rahateo, ny fitondràna ankehitriny sy ny mpanaradia azy ireo amin’ny vanim-potoana tahaka izao ary hogahogainy ho resy lava kosa ny firehana politika neverina ho nifanandrina mivantana taminy tao anatin’izay 15 taona. Na dia maro be aza ny tsikera sy ahiahy mahakasika ny tsy fahatomombanan’ireo fifidianana nifanesy sy ny efa tsy tokony haha filoham-pirenena malagasy ny filoham-pirenena ankehitriny intsony, satria hoe efa niofo na «naturalisé» ho frantsay, dia mbola mirehareha hatrany manoloana ny heveriny ho fandresena azony teto amin’ity firenena ity ny fitondràna ankehitriny sy ny mpiaradia aminy. Mitabataba daholo ny ivelan’ny fitondràna rehetra na mpanohitra io na hery afovoany na fiarahamonim-pirenena na iza na iza hoe be loatra ny hosoka, ahoana ity «ordonnance» tampotampoka ity, niharihary ny halabato saingy rehefa nandresy fotsiny ve izany dia izay no zava-dehibe? Fandresena any anaty fifidianana ve no atao hoe politika na zava-dehibe amin’ny fanaovana politika sy fitantanana firenena sy ny manodidina an’izay? Toa tsy mahataitra ny maheno sehatra iraisampirenena mamoaka fanadihadiana sy vokatra izay maneho fa faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao ilay firenena? Toy izany koa ny fitarainan’ny maro an’isa amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy tsy fandriampahalemana amin’ny endriny samihafa na ny fifanararaotana sy fifanambakàn’ny samy malagasy ihany eny amin’ny fiarahamonina eny. Tsy maninona fa dia andeha atao hoe fahantrana angamba izany sisa tsy resin’ilay fitondrana! Fahantram-bahoaka sisa tsy resiny!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT