Tsy krizy ara-pahasalamana fotsiny no eto fa efa miditra lalina amin’ny krizy ara-toekarena, sosialy, ary hatramin’ny demokrasia no tratry ny krizy, hoy ny mpanao politika iray.
Tena voafehy araka ny ambaran’ny Filoham-pirenena ve ny valanaretina ? Ny isa mitombo hatrany, ny zavatra ambaran’ny mpitondra mifanipaka. Ny valanaretina mandindona, fa ny krizy ara-toekarena sy sosialy mbola raharaha goavana ilam-bahaolana. Zava-dehibe ny fifampidinihana amin’ireo mpandraharaha samihafa, ary ireny niaraha-nahita ireny ny hetaheta sy ny fitarainana samihafa. Efa misy aloha ny vahaolana amin’ny ampahany nivoaka, ary misy ny hetaheta mbola tsy voavaly. Mpandraharaha firy no hisitraka vahaolana satria maro ihany koa no milaza hoe: izahay anie ka tsy ao anatin’io “cercle” na faribolana io? Aleo tara tokoa angamba toy izay tsy misy satria mahalasa saina tokoa ny hoe vahaolana hoentina hanarina ny fiainana ara-toekarena sy sosialin’ny Malagasy no noresahina ny alahady lasa teo. Voafahana resaka ny Malagasy, niraradraraka ny fampanantenana, noresahina ny sora-bola narahina voambolana mipoapoaka dia ny “Plan marshall”, fa ny fiantraikany mbola andrasana ny fahaterahany. Noresahin’ny filoha ny hitsinjarana ny fahefana sy ny andraikitra, saingy raha raisina ny fanapahan-kevitra nataon’ny fitondrana dia ny teny midina sy miainga amin’ny revirevin’ny mpitondra hatrany ny zavatra hatao. Ireo hitondrana ny vahaolana, toa efa natao izay natao, nosoratana izay vina masaka an-tsain’ny fahefana faran-tampony vao hoe antsoina hiresaka. Na izany aza samy manana ny fomba fiasa heveriny fa mety tokoa angamba. Miandry hatrany isika izao ny vahaolana ara-tsosialy miantraika amin’ny Malagasy tsy an-kanavaka: rahoviana ihany vao hisy fiantraikany aty Madagasikara ny vidin-tsolika iraisam-pirenena nitotongana? Rahoviana vao mba hidina ny vidin’ny herinaratra? Voafehy ny aretina, hoy ny filoha, fa ny Malagasy aloha izao dia voafehy tanteraka ihany koa ny kibo !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.