Edito

Fahamaizana avo lenta


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Mety tsy tena niteraka resabe loatra na dia mampiahiahy ihany aza ny fahamaizan’ireo trano hazo nisesisesy teto an-drenivohitra.

Mora ny manazava mantsy, nisy afo saribao nirehitra dia niitatra ny afo ka niampita haingana tamina trano maromaro.Mora mirehitra rahateo ny hazo sy sachet eny ambany tanàna koa dia toa vita moramora ny resaka ; atosaka ny fanampiana, atsangana ny trano lay dia miandry ny rariny eo ny traboina.Fa ity teny Antaninarenina halina ity kosa, tsy ho vitan’ny fanazavana tsotsotra hoe noho ny ankoson’aratra angamba.Efa mazava ny fepetra fa mirava amin’ny 12 ora atoandro ; izany hoe efa tokony tsy nisy olona intsony na tao amin’ny ONE na tao amin’ny biraon’ny ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra amin’ny 7 na amin’ny 8 ora alina.Tena henjana ny fahitana ny afo, niredareda , hita ho tena sahirana ny mpamonjy voina.Ny ONE izany dia mikirakira ny resaka tontolo iainana amin’ny lafiny rehetra ary maro ny antontan-taratasy mipirina ao ; tsy ambanin’izany ny ao amin’ny Paositra.Mby tonga ao an-tsaina sahady ny resaka Tosika Fameno, Paositra Money…Asa aloha izay ho fanambarana sy fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra fa resabe ihany ny an’ny mpitazana sy mpanara-baovao e ! Heverina fa ampy sy manara-penitra ny fiarovana amin’ny lafiny rehetra ireo biraom-panjakana eny Antaninarenina sy Ambohitsorohitra izay voasokajy ho faritra mena raha ny tena marina.Tsy trano hazo eny Antohmadinika na Ankasina no eny fa efa avo lenta.Ka asa mety fahamaizana avo lenta koa ve izany no nitranga.Malaza moa tato ho ato izay ny hoe : mangaraharaha ary ny filoham-pirenena efa nilaza fa mangarahara ny fitantanana ny firenena koa miandry ny rehetra.Enga anie mba hangarahara ny fanazavana momba ity afobe nandravarava teny Antaninarenina ity fa tsy hijanona fotsiny amin’ny hoe : efa mandeha ny fanadihadiana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT