Edito

Fahalovana tazanim-potsiny


  • Talata 01 Desambra 2020

Ny kolikoly moa io mbola ady hatramin’izao ny fampihenana azy satria efa

 

mampiaiky ny maro fa sarotra ny mamongotra azy io. Isan’ny fahalovana ikoizana maneran-tany io fa ny tany an-dalam-pandrosoana sy mahantra hatrany no tena tsikaritra hanjakany. Tsy ireo ihany anefa no atao hoe fahalovana fa maro ireo fahalovana hita ho tazanim-potsiny eto amin’ny firenena ankehitriny. Ekena fa nandalo teto ny atao hoe ahamehana fa mba maha lasa ny heritreritra ihany ny maheno izany hoe mpiasa amina orinasam-panjakana mitondra ny sata hoe “société d'État” izany kanefa dia misy mitaraina ho tsy mandray karama feno. Ny sasany aza hoe 7 na 12 volana mihitsy no tsy nandraisany karama. Izany no zava-misy iainan’ireo mpiasam-panjakana kanefa rehefa hanontaniana ny vahaolana sy anton’izany ny tomponandraikitra dia toa zary valy boraingina no heno manako an-tsofin’ny mpanara-baovao. Ao ny milaza hoe tsy miasa alahady. Ny sasany indray efa hita izao fa voararan’ny lalana ilay tranga dia mbola hitadiavana voambolana hanamarinana ihany fa nety ilay izy fa ny lalana ny tokony ovana. Ianao amin’io tompon’andraiki-panjakana. Firifiry izay tratra saika hanondrana sokatra an-tsokosoko maro izay fa maninona no tsy nisy niteny hoe ilaina ny amanin-tsokatra? Hatramin’izao dia mbola misy olom-panjakana mitokan-javatra ihany nefa hoe tsy azo hanaovana izany anaty fampihelezan-kevitra. Tsy misy bedy fa dia tazanim-potsiny avokoa izany rehetra izany ary azo antoka fa mbola hitadiavana fanamarinana indray aza. Aiza moa no handroso.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT