Edito

Fahaleovantena sa fahalovantena ?


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Vita iny ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena, ary mitodika amin’ny fiainana andavanandro indray ny rehetra, rehefa avy nifalifaly sy nampisinda kely ny rotorotom-piainana sy fahasahiranana.

 

Mason-tsokona masom-boalavo ka dia izay kely nananana no nohezahina nahiratra. Mila misikim-ponitra hihatrika ny ho avy indray izao. Na izany aza, tokony ho mandavan-taona ny iainana ilay antsoina hoe: “fahaleovantena”, fa tsy sanatria ho lasa haitraitra sy fety tsy hita izay maharatsy ny fankalazana azy. Mampahatsiahy ilay tononkalon’Itompokolahy Georges Andriamantena na Rado no ahalalan’ny besinimaro azy hoe: Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy, hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy. Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana hampigoka mamy ny isam-baravarana. Tsy trosa tsy miato iandrandrana vola avy any Dilambato; Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka, tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka (…). Tsy endrika sodokan’ny fiheveran-tena ho mahavita tokana. Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra(…). Tsy hoe ianao mitsako, fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako. Fa Fahaleovantena ahitana toky ka ny maro an’isa no sambatra sy voky. Tsy vola fafy katrana hividianana olona ho sandam-pisandratana, fa fahaleovantena mitana fahamarinana. (…) Tsy fitadiavan-tehaka na horaka mandainga mba hampidehadehaka. Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena, fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena… Ampahany ihany ireo, izay mampisaintsaina. Haingam-panahy efa tany amin’ny 30 taona lasa, saingy toa efa faminaniana amin’ny hoavy satria tsy misy tsy hita ankehitriny ireo zavatra notanisain-dRado ireo. Mety efa toe-javatra hita taratra teto Madagasikara hatramin’izay, saingy vao mainka nahazo vahana izany ankehitriny. Inona tokoa moa no tena fahaleovantena misy eto amin’izao fotoana izao? Moa mba tena mametraka sy mamaritra izany ny zava-miseho eo Madagasikara miainga avy amin’ny Mpitondra faran-tampony hatrany amin’ny vahoaka farahidiny? Kisehoseho no betsaka, ary tena niharihary io tamin’ny endriny ivelany nandritra ny fanamarihana notarihin’ny Mpitondra farantampony vao andro vitsy. Asa rahoviana vao tsy ho sarintsarim-pahaleovantena toa endri-panesoana antsika intsony no hiseho eto? Sanatria toa lasa fahalovantena fa tsy fahaleovantena intsony!!!
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT