Ao anatin’ny fanamarihana tanteraka ny fetin’ny fahaleovantena isika amin’izao fotoana.
Inona tokoa moa izany no tena hevitr’io fahaleovantena io ho an’ny Malagasy ary amin’ny lafiny inona io no tokony hipetraka ? Raha ny dikany tsotsotra dia ny fahazakan-tena sy tsy fiankinan-doha amin’ny hafa. Ho antsika Malagasy aloha dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Tokony handeha tsimoramora sy tsy ho sarotra io raha misy ny tena finiavana. Ho an’ny sarambabem-bahoaka, ohatra, dia zava-dehibe ny hoe fahaleovantena ara-tsakafo satria rehefa voky tsara sy manana ny ampy eo amin’izay lafiny izay ny isam-batan’olona dia afaka miasa sy mamokatra, indrindra fa ho an’ny eny ambanivohitra satria ny 80% dia voalaza fa tantsaha avokoa. Foana ho azy ny tsy fandriampahalemana rehefa manana asa sy afaka mamokatra ny rehetra, ary mila atao mazava tsara ny politikan’ny fananan’asa, fa tsy resaka ambony latabatra fotsiny. Ny fahaleovantena ara-politika sy ny fomba fiasan’ny mpitondra ihany koa etsy an-daniny dia mbola fahalovan-tena no misy fa tsy fahaleovantena. Tsy mbola mahaleotena isika ary zary fialana bala hatrany hoe sarotra ny mamaha ny gejan’ny vahiny. Raha tena mahay mametraka ny safidy politika sy olona mahavita azy isika mety ho lasa ihany, saingy ny misy amin’izao dia ny olona sasany milaza hanandratra ny firenena aza dia ny vazaha no manodidina azy sy mamorona ny tetikasany fa tsy miainga amin’ny hetahetam-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.