Edito

Fahaleovantena


  • Alarobia 25 Jona 2014

Fomba mahazatra ny isan-tokantrano rehefa fetim-pirenena tahaka izao ny mividy sainam-pirenena dia manangana izany, ny miantsena sakafo mba hifalian’ny mpianakavy.

Misy mihitsy aza ny manokana ny andron’ny 25 na 26 jona hanaovana fivoriam-pianakaviana. Indraindray aza dia mba ividianana kilalao koa ny ankizy, volan’ny ankizy rahateo ny volana jona, saingy tsy tena miraikitra ao an-tsaina sy ao am-pon’ny tsirairay ny dikan’ilay hoe fetim-pirenena na fetin’ny fahaleovantena. Ho an’i Madagasikara manokana dia fanamarihana ny niverenan’ny fahaleovantena ny voambolana mitombina kokoa  satria efa nahaleotena isika saingy nozanahan’ny Frantsay nanomboka tamin’ny 1896, dia nahaleotena indray taty amin’ny 1960. Inona marina ny atao hoe fahaleovantena ? Fahafahana manao izay tiana ve ? Tsy fiankinan-doha amin’ny hafa ve ?  Lazaina anefa fa mifampiankina ny zava-drehetra ary tsy misy mahavita tena izany. Ny manakaiky ny marina angamba dia fahafahana manapa-kevitra ka manao izay hita fa hahamety ny fiainana sy hampandroso ny fianakaviana, ny orinasa ary ny firenena no atao hoe fahaleovantena. Ao anatin’ny fanajana ny zo fototra maha olona, ny fifanajana eo amin’ny tsirairay io ary tsy azo sarahana amin’ny maha zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena, teny iray izay sarotra faritana ihany koa amin’izao vanim-potoan’ny fanatontoloana izao. Maro ny olana, krizy, fifandirana politika nisy teo amintsika, manantena fiovana isaky ny mihetsika ny malagasy. Ny hita anefa dia toa miha mahantra  isika ary songonan’ny firenena hafa nitovy tamintsika.  Tsy azo mora foana ny fahaleovantena fa mila fahasahiana, finiavana, ady, fitiavan-tanindrazana ary fanandratana avo ny an’ny tena. Samy tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny sehatra misy azy na mpitondra izy na mpanao politika na mpiasam-panjakana na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina na tsy an’asa na olon-tsotra. Ny fitambaran’izy rehetra ireo no maha firenena ny firenena. 54 taona izao no nanamarihana ny fetim-pirenen’ny 26  jona, fety aman-danonana matso no nahazatra fa mba ahoana kosa ny ho avin’ny firenena ? Hatraiza ny fahasahiantsika   hiaro ny fiandrianam-pirenena ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT