Andro iraisam-pirenena amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny anio 3 mey, ary mankalaza izany tahaka ny firenena maro isika eto Madagasikara.
Any Toliara no hatao ny fankalazana nasionaly amin’ity, hetsika izay karakarain’ny ministeran’ny serasera. Azo ambara fa tsy mora ny asa fanaovan-gazety tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao, ary na ny fomba niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana aza dia nangidy sy nafaitra ho an’ny mpanao gazety sy orinasan-tserasera maro, tahaka ny RNM sy ny TVM ny MBS TV sy Radio, ny Gazety mpiseho isan’andro Le Quotidien, Ny Vaovaontsika satria nitatra ny raharaha ka lasa niova ho fandrobana sy fandorana ireo orinasa ireo ny fidinana an-dalambe tamin’izany. Taty aoriana dia mbola niharan’ny antsojay ihany koa ny Radio Mada sy Radio Fahazavana, norobaina sy nakatona. Nenjehana ny mpanao gazety tao mihitsy ireo nogadraina, nisy ny voatery niafina sy nanao sesitany ny tenany.
Tsy ireo ihany fa nisy koa ny haino aman-jery tsy miankina maro nakatona, tahaka ny Radio Fototra, Channel M ohatra ; na dia teo aza ny fampanantenana ary na eo koa ny tondrozotra dia tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izao ny fanokafana ireny haino aman-jery ireny. Ny zava-misy aza dia ny onjampeo na gazety am-perinasa indray no rahonana hakatona. Nampanantena fanovana sy fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra politika sy ny asa fanaovan-gazety i Andry Rajoelina raha namory vahoaka teny an-kianja. Ny mifanohitra tanteraka amin’izay anefa ny zava-misy tato anatin’izay telo taona nitondrany izay. Voatohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ary matetika no mahazo teny midina ireo mpanao gazety namana ao amin’ny TVM sy RNM.
Fandrahonana kosa no mihatra amin’ny orinasan-tserasera na mpanao gazety mety sahy manakiana ny tsy mety ataon’ny fitondrana tetezamita sy mijoro ho arofanina. Malaza ratsy maneran-tany i Madagasikara fa sady mivarotra olona, manao trafikana hazo sarobidy anaty faritra voaaro no mbola manimbazimba ny zon’olombelona sy ny fahafahana maneho hevitra ihany koa. Rehefa misy moa ny fifandirana politika ao amina firenena iray dia tena mitana anjara andraikitra goavana amin’izany ny mpanao gazety, satria izy no mikaroka sy mampita ny zava-misy amin’ny olona. Ny fanjakana matetika dia tsy milaza ny vaovao marina rehetra, indraindray aza dia miova tanteraka mihitsy ny vaovao iray rehefa re na hita amin’ny haino amanjerim-panjakana, fa tsy tahaka ny tena nitranga.
Ary ny tena loza nandritra izao tetezamita izao dia naverin’ny haino aman-jery Viva, izay fananan’ny filohan’ny tetezamita mivady ny fandrakofana faritra maro manerana an’i Madagasikara, kanefa izany ihany no niampangana sy nanosoram-potaka ny MBS tamin’ny fotoan’androny. Misy mizana tsindrian’ila amin’ny tontolon’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety eto ary mbola mitady ny hifehy amin’ny fomba rehetra io sehatra io ny mpitondra. Ireo mpanao gazety manao ny asany ary sahy milaza ny marina rehetra kosa dia efa mila vonona amin’ny fanadihadiana any amin’ny zandary sy ny polisy ary tokony hanoman-tena ihany koa fa mety tsy maintsy handalo eny Antanimora ihany … indray andro any, raha toa ka mbola eo ny fitondrana FAT !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.