Edito

Fahaiza-miaina


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Tsy misy ny mahavita tena, tsy misy ny tonga lafatra raha mbola ety ambany masoandro ihany.

 

Mifampiankina sy mifameno ny zava-drehetra, ilaina ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ny tsirairay raha te hahavita zavatra marina. Rafitra napetraka mba handaminana ny fiarahamonina ny fitsipika, lalàna, demokrasia fa tsy hoe hahavita fahagagana ka hampanankarena tampoka akory. Fitaovana ilaina ireo ary tena mahasoa ho an’izay mahay mampiasa azy ao anatin’ny fifanajana, izay no nampandroso ny tandrefana. Hafa kosa anefa ny zava-misy aty Afrika, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Toa samy maka ho azy, nahitana famaritana maro ny demokrasia, lasa entam-barotra ny fitiavan-tanindrazana sy fifidianana, nijanona ho kabary ny fampanantenana, miandrandra mesia lava izao ny olona ary rehefa kivy amin’ny fahantrana sy ny rediredin’ny mpanao politika dia miantoraka any amin’ireo antokom-pinoana mitady fahagagana.Tena sarotra ilay fiainana, saingy na izany aza dia misy ny azo atao, misy ny azo hanombohana azy, tompon’andraikitra ny tsirairay ary afaka manova ny zava-misy manodidina azy aloha, miezaka mifanaja, mifampihaino ary mifampiresaka. Zava-dehibe ao anaty fiarahamonina ny fifanajana sy fahaiza-miaina, izay zavatra tsotra kanefa adinontsika matetika. Tsy mila fianarana be io, tsy mila famatsiam-bola fa tena vokatry ny finiavan’ny tsirairay mba handroso amin’ny tsara sy mendrika kokoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT