Hatao ao anatin’ny dimy taona ny tsy vitan’ny mpitondra nifenesy tao anatin’ny 60 taona araka ny fomba firesaky ny Filoham-pirenena matetika.
Ny hita aloha dia ny hoe mitana ny laharana farany ratsy indrindra tsy mbola nisy tao anatin’ny enim-polo taona isika amin’ny fahantrana satria firenena 3 na efatra sisa eo ao alohantsika. Fomba miisa roa no ahafahana mampatory sy mandemy ny vahoaka, dia na izy maty noana, na izay maty voky, ka ilay voalohany no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Toy ny anjely na Mesia hanavotra azy ny mpitondra avy eo rehefa tonga hizara fanampiana, toy ny vary sy menaka, tahaka io hita any Atsimo ankehitriny io. Efa fomba fiasa sy fiady nakana fo-bahoaka io tany amin’ny taona 2009, ka nilazana fa hampidinina 500 ny kilaon’ny vary ary 2000 ny litatry ny menaka, izay nandalo fa tsy nitoetra, izay toa mampitombina ny ahiahy fa ny menak’ilay orinasa isan’ny voaroba no nentina namalifaliana vahoaka. Mety efa rano raraka tokoa ireny, saingy toa mbola io fomba fiasa io no miseho ankehitriny, dia ny fitaizana bahoaka amin’ny zavatra mandalo sy tsy maharitra. Toa lasa anjely ny mpitondra amin’ny fakana doka rehefa mizara ireo fanampiana avy any ivelany. Tsy te hahalala izay kihana mandeha fa diso mahatoky tena, ka tsy te hihaino, te haneho fa ny heviny ihany no marina,… Manao herisetra ankolaka sy mivantana, managadra, mandrahona,… Sokajiana ho malemy sy tsisy atoraka ny hery politika ivelan’ny fitondrana. Efa io fomba fisaina io no nampidi-kizo ny teo aloha, saingy mitohy ankehitriny. Ny mahery tsy maody tsy ela velona, ka mila mahay mamindra ihany e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.