Edito

Fahagagana inona ?


  • Talata 12 Desambra 2023

Hanao ahoana ny hoavin’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ?

Mbola misy ve ny azo antenaina raha tarafina amin’ny fomba fitantanana ara-politika? Mba tena ho voajery ve ny olam-bahoaka sa hotakotantakonana amin’ny ambara fa asa sosialy atao amin’ny ampahan’olona ? Fanontaniana isan’ny mipetra eny anivon’ny fiarahamonina izany eo anatrehan’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika miseho eto amin’ny firenena. Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra mantsy ny fiainam-pirenena, ka toa ny taona no miova, ny fotoana mandeha, fa ny mpitantana sy mpitondra dia ilay efa nampanantena vary 500Ar ny kg menaka 2000Ar ny litatra 15 taona lasa ihany no mbola tsy sasatry manao fampanantenana eo. Tsy resaka tsy fitiavana na fankahalana olona, fa raha ny vokatra aloha, dia fihemorana lalandava : mitombo ny tahan’ny fahantrana, midangana ny tahan’ny kolikoly, miha mahery vaika ny hanohanana, mitotongana ny sandam-bola, mirongatra ny tsy fandriampahalemana izay maro ny endrika isehoany tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona, betsaka ny mpitondra mihevi-tena ho tsy maty manota sy tsy mba ho tratry ny aloka, lasa fialokalofan’ny mafia ny rafi-panjakana sasany,… Betsaka ny fahapotehana na ara-materialy na ara-toe-tsaina, izay tena henjana ny fanarenana. Efa niaraha-nahita ny nataony sy nafitsony teo dia androany ve ny ambanilanitra dia mbola hino sy hanantena fa hisy ny fahagagana ? Teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza, terena hisotro ny rano tsy tiana, terena hanaiky fa izaho no atao hoe demokrasia, izay mianankendry manohintohina eo mety efa any am-ponja ny ilan-tongotra. Izany no toa sary mitranga, hany ka zary lasa miraviravy tànana ny olona, tsy miditra lalina intsony amin’ny raharaham-pirenena, kivy amin’ny fanaovana politika, manao tazan-davitra amin’ny fahapotehan’ny firenena na miaina ny voka-dratsiny aza. Sanatria hatao izay hahadobo sy rendrika azy ao anaty fahantrana lalina ka tsy manana hery hanoherana ny tsy mety sy ny tsy rariny intsony. Raha mitohy, hono, anefa ny hazo dia lanin’ny voalavo ny lanitra, ary tsy resy ny vahoaka, fa mitsakotsako sy mandinika ary maka lesona !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT