Fadio ny mihinana am-bolony !

Samy miaiky angamba ny rehetra amin’izao fotoana izao,


  • Zoma 11 Oktobra 2024

fa tsy vitan’ny olon-tokana ny fampandrosoana, fa tena miankina amin’ny olombelona rehetra.

Mila ekipa mahomby, mila vina sy programa mifanaraka amin’ny Firenena, faritra, kaominina,… fa tsy vitan’ny fampanofinofisana sy fampanantenana fotsiny. Tsy vitan’ny manaratsy ny mpitondra nifanesy ka milaza fa tena hanao zavatra, kanefa rehefa tonga eo toa lany andro mikabary sy mamono afo ary mampanantena fahagagana, saingy tsy hita izay vokany. Lasa endrika fihemorana no misy, ka miverina avokoa izao fomba fiasa efa nilaozan’ny toetr’andro efa niainana tany amin’ny Repoblika faharoa, raha tsy hilaza afatsy ny kizarazara vola tsy mahavita taona, kizarazara rano,… Lasa mivaona, ka toa entina hampalazana ny filoham-pirenena avokoa izao rehetra izao ka rehefa misy zavatra kely atao dia izy no antsoina hitokana na hanolotra zavatra mba hanakontakonana ny krizy sosialy mangotraka eto. Rehefa miresaka avy eo dia tahaka ny hoe : io i Mesia hamaha ny olana rehetra, hamadika ny rano ho divay,… Tsy fotoanan’ny fampanofinofisana intsony izao, tsy fotoanan’ny sehoseho ivelany sy fanjonoana vahoaka, fa fotoanan’ny asa, fotoana hijerena ny soa iombonana, fotoana hanarenana ny tsy nety hatramin’izay,… Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana isika, ka fotoana ihany koa tsy hihinanana am-bolony entina hijerena tavan’olona na laza, fa tena hahafahan’ny rehetra mandinika sy mamakafaka hoe : ny vina sy ny programa ary ny fomba fiasan’iza no mety sy mendrika ? Ny hevitr’iza no mety sy azo tanterahana kanefa mahasoa vahoaka ary ny an’iza no fampatoriana mitsangana hahazoana vaton’ny mpifidy fotsiny ! Fotoana izao hahafahana manova ka hilana fiaraha-mientana satria mandresy vao miara-dia fa tsy miara-dia vao mandresy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT