Edito

Fa tsy hiova mihitsy ve e ?


  • Alatsinainy 01 Febroary 2016

Hipoka mpitandro filaminana teo amin’ny vavahady fidirana ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo ny sabotsy lasa teo.

Anton’izany moa ny fisian’ny fangatahana nataon’ireo depiote eto Antananarivo Renivohitra mba hanao tatitra amin’ny mponin’ny renivohitra. Efa nampandre ny avy ao amin’ny prefektiora fa tsy maintsy handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana dia nataony tokoa. Tsy mbola ato ho ato mihitsy aloha izany no hisokafan’ny kianjan’ny demokrasia, mihenjana ny fanjakana ary tsy te hahalala ny hevitry ny hafa. Ny kabary anefa atao rehefa mivory any ivelany milaza fa apetraka ny fitoniana ara-politika, hajaina ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra…Amin’izao efa fahoriana mianjady amin’ny firenena izao dia mahagaga fa misy mihevitra fa vitany izy samirery ny hanavotra an’i Madagasikara sy ny Malagasy 22 tapitrisa. Moa ve tsy azo atao mihitsy ny mivory ao an-kianja ao izay te haneho hevitra, eo ihany koa manara-maso ny mpitandro ny filaminana sao misy ny manararaotra ? Azo ifandaminana ny zava-drehetra ary ny mpitondra hendry dia mahalala ny mety sy ny tsy mety amin’ny vahoaka tantaniny, fa ilay didin’ny be sandry sy fanakantsakanana isaky ny mihetsika dia tsy hampilamina eto mihitsy. Tsy efa mba nahazo lesona tamin’ny lasa ve ka mba manova famindra amin’izay e ? Hevi-diso tokony ho efa hiala ao an-tsain’ny mpitondra ny hoe raha vao misy olona mivory na maneho hevitra eny an-dalambe dia voatohintohina izay ny fahefany ka mety hirodana ny fitondrana. Izany no tena fanovana fa tsy resa-be mandany jiro manonofinofy fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT