Edito

Fa mitampina inona ny maso e ?


  • Talata 25 Septambra 2012

Misy milaza indray izao fa resabe noforonina, hono, ilay taratasy fampitam-baovao miafina nataon'ny Quai d'Orsay, izay mampiseho ny tetika maizina rehetra amin'ny fanapotehana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny fandemena ny foloalindahy malagasy.

 Mazava ho azy fa tsy hanaiky ny fisian'io taratasy io mihitsy ny Frantsay. Amin'ny diplaomasia rahateo dia tena goavana ny fihatsarambelatsihy sy ny resaka tsara lahatra. Tsy iadian-kevitra elabe ny amin'iny fa dia anjaran'ny tsirairay fotsiny ny mandinika ny zavatra mitranga rehetra, dia hipoitra eny ihany ny marina. Tsy nisy fanazavana mifanohitra amin’iny rahateo hatreto. Ny mampieritreritra dia raha afaka nanenjika an'i Marc Ravalomanana ihany ny fitsarana ao Afrika Atsimo, nahoana no tsy nifampiraharaha tany ny fanjakana malagasy sy ny ministeran'ny fitsarana eto amintsika dia nosamborina tany ingahy Ravalomanana ary nentina notsaraina teto Madagasikara ? Fa nahoana no vizanina amina resaka fitsarana any Afrika Atsimo izy ? Efa ho telo taona izy no tany, nahoana no taorian'ny dinika tany Seychelles vao nihazakazahana ny fitsarana ilay raharaha 7 febroary any Afrika Atsimo ? Ireo olona avy ao amin'ny AV7 mihitsy ve no nahira-tsaina be ka tena tompon-kevitra tamin'ity raharaha ity, sa nisy mpanolotsaina mahay efa manana tetika hafa, tao ambadimbadika tao ?

Na ny vahiny aza dia mahafantatra fa mbola mandresy i Marc Ravalomanana raha kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo, mainka fa ny eto an-toerana. Mahalala tsara i Andry Rajoelina sy ireo mpanao politika misolelaka aminy fa izay no vita raha vao tonga eto i Dada. Dia mitranga izao zavatra rehetra izao, ary mazava ilay tanjona fa misy olona tena tiana hopotehana ao; misy koa ny saribakoly ampiasaina eto, mba hahatanteraka izany tanjona izany. Nandritra ny fitondrana Ravalomanana no nipoiran'ny fitrandrahana solika sy harena ankibon'ny tany goavana teto, ka tsy nahatsapa ho tsy nahita tombontsoa tamin'izany mihitsy ry Reny Malala. Mety ho noho izay tokoa angamba, no tsy maintsy nandrodanan'izy ireo an-dRavalo, izay tena sahy nijoro fa tsy nanaiky lembenana izany. Izy rahateo moa havanana amin'ny resaka fandraharahana ary tsy misy miafina aminy, io resaka famatsiam-bola avy any ivelany sy ny fifandraisana iraisam-pirenena io. Ka asa hoe : mitampina inona ny mason'ireo sokajin'olona sasany eto amin'ny firenena mbola mieritreritra ihany fa anjely ny Frantsay, ary tena tsy misy ifandraisany amin'ny krizy eto mihitsy ny politikan'ny fitondrana frantsay, izay manana departemanta manokana mihitsy momba an'i Afrika, ao amin'ny Quai d'Orsay na ny ministeran'ny raharahambahininy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT