Edito

Fa misaina amin’ny inona e ?


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Dia efa tena tsy hay intsony mihitsy ity zava-mitranga eto Madagasikara ity e, vitan’ny fitsidihana maimaika narahana teny fampiononana efa mahazatra sy ireo karana fanampiana mampalaza ny fitondram-panjakana ilay famonoan’olona mahatsiravina tany Berohoroha.


Tsy sanatria manamaivana ny andrakitry ny praiminisitra sy ireo minisitraniara-dia taminy fa nahoana kosa no tsy tonga tany an-toeana ny filoha Rajaonarimampianina e ?Tsy amin’ny fotoana tahaka ireny va no tena ilàna ny fanofana fiaramanidinamanoka haingam-pandeha mba ijerena ifotony ny tena fahasahianana sy ny fahorian’ny vahoaka.Sa ve sanatia mandry fahafatesan’olona an-jatony ingahy filoha vao ho tonga saina fa tokony hitsidika faran’izay haingana ny toerana nitrangan’ny loza sy hanome toromarika amin’ny fisaonam-pirenena ?Tena mahamentra fa ny Amerikanina indray no nampidina ny sainam-pireneny ho mariky ny fisaonana noho ny nahafatesan’ireo olona tany Berohoroha.Ny mpitondra Malagasy sady tsy nanome toromarika hampisaonana ny firenena, no sady nanadino io fisaonana amin’ny alalan’ny fampidinana ny sainam-pirenena io, satria ny fankalazana ny 26 honoa loha izao no tena maha maika e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT