Edito

Fa maninona no tsy miteny ?


  • Alakamisy 14 Aprily 2011

Toa manjavozavo izany tato ho ato ny endriky ny fanelanelanana iraisam-pirenena amin’ny krizy Malagasy. Novitain’ny Dr Leonardo Simao maimaika ny fandrafetana ilay sori-dalana, tonga dia natao ny rangopohy.

Nanao tatitra teo anivon’ny Troika an’ny SADC i Chissano, tsy nisy ny fanapahan-kevitra matotra taorian’izay fa dia hoe miandry ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo filoham-panjakana ao amin’ity vondrona ity amin’ny faran’ny volana mey, hono, ny fanapahan-kevitra momba an’i Madagasikara. Tao anatin’izay rehetra izay dia nihazakazaka ny OIF sy ny COI eo ambany fitantanan’ny Frantsay ka milaza sy manamafy fa azo atao tsara ny manomana fifidianana madio sy mangarahara ao anatin’ny efa-bolana. Dia roboka tokoa ny fitondrana tetezamita, ny CENI moa milaza fa miandry vola sisa fa ny fanomanana rehetra manerana ny nosy dia efa ao tsara.

Ny fanjakana Amerikanina anefa dia manamafy fa tsy araka ny tokony ho izy mihitsy ny zava-misy eto ary be loatra ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Tsy niova tamin’ny heviny i Etazonia fa dia tsy manaiky velively ny tetezamitan-dRajoelina. Ny Firenena Mikambana kosa raha nanao tatitra dia tahaka ny nampihoron-koditra mihitsy nilaza fa anisan’ireo firenena tena mahantra sy faran’ny sahirana i Madagasikara ary tena nihemotra mihitsy raha ny resaka asa fampandrosoana. Toa tsy mitsipaka ny hanome vola fanampiana hikarakarana ny fifidianana ihany koa anefa ny sehatra iraisam-pirenena, koa dia sahiran-tsaina ny olon-tsotra.

Fa inona ihany no tena marina e ? Manaiky sa mitsipaka ny FAT ny sehatra iraisam-pirenena ? Nahoana no tsy miteny mazava fa manao tsobo-dranon-dRamiangaly ka mandroso mihemotra tahaka an’io ? Tsy misy ny fanomezan-dalana mazava azon’ny OIF sy ny COI hanao asa fanelanelanana eto Madagasikara, ny GIC no miandraikitra izany ka naniraka ny SADC. Tsy nisy mihitsy anefa ny fanamarihana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba io fitsabahan’ny OIF sy ny COI amin’ny asa fanelanelanana io, fa nahoana ? Izay ve ilay hoe manaiky matoa tsy miteny ? Ny famoahana ny gadra politika, fampihavanam-pirenena ary fiverenana an-tanindrazan’ireo any an-tsesitany aloha tato ho ato izay dia efa nivalona ho tantara fa tsy misy mpanontany intsony. Soa ihany fa tsy mbola nitsahatra hatramin’izao ny hetsiky ny Ankolafy 3 eny amin’ny Magro Behoririka mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna sy hametrahana ny tetezamita eken’ny rehetra sy iahara-mitantana. Na izany aza, hafahafa be ihany ny fandehan’ny raharaha. Mifanome tanana manafika an’i Libia i Frantsa sy Etazonia, kanefa mifanipaka fomba fijery tanteraka amin’ny krizy Malagasy. Mahalasa fisainana izany rehetra izany ka mahatonga ny maro ho resy lahatra fa tena tsy mijery afa tsy ny tombotsoany ny vahiny. Koa asakasak’ireo mpanao politika eto amintsika raha hanara-drenirano fotsiny na hijoro marina ho an’ny tanindrazana !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT