Edito

Fa maninona no be kiry ?


  • Talata 20 Jolay 2010


Mifandimby maneho hevitra amin’ny fiarovana ny maha tsy momba ny atsy na ny aroa ireo Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena hikarakara ny Dinika Santatra ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny avy ao amin’ny FAT ka mahita izao tetika rehetra izao, handresen-dahatra ny olona. Ny zava-misy sy hita anefa dia maro ireo mpanao politika nanohana an’i Andry Rajoelina no mody mialokaloka ao amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena, nefa maro amin’ny olona ao no efa diso fantatry ny maro loatra tamin’ny fandraisany anjara mivantana na ankolaka tamin’ny fanohanana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Tsy sanatria fanaovana tsinontsinona ireo Raiamandreny mihitsy, fa misy kosa ny zavatra tsy azo kosehana sy fafana, ary mbola tadidin’ny olona. Ka izay no tsy maharesy lahatra ny maro amin’ny zavatra karakarain’izy ireo. Na izany aza anefa dia niroso amin’ny fandaharam-potoanany ihany ry zareo ireto, ka nanomboka nitsidika ny faritra maro manerana ny nosy ho fiomanana amin’ilay Dinika Santatra.

Volan’ny fitondrana tetezamita 100% no ampiasaina amin’izany, ary izay indrindra no tsy nampifanaraka hatramin’izao ny samy fiarahamonim-pirenena, satria na tiana na tsy tiana dia miankin-doha amin’ny FAT ny Raiamandreny Mijoro sy ny «coalition» ka tsy azo antoka mihitsy ilay ho tsy momba ny atsy na ny aroa. Fa inona marina no mampikiry azy ireo hanao don-tandroka amin’ny fikarakarana fikaonandoham-paritra tsy maharesy lahatra ny maro an’isa ? Dia atao ahoana izany ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonandoham-paritra nokarakarain’ny FAT tamin’ny herintaona ary nampiandraiketany ny CSR-N, izay tena voailika tanteraka amin’izao fotoana ? Ny fahitana izany rehetra izany no vao mainka tsy maharesy lahatra ny maro ary hieritreretana sahady fa tsy hamokatra indray ity fikaonan-doha maimaika sy tsy nifanarahan’ny rehetra ity. Dia ho fandaniam-bola fotsiny tahaka ny fihaonana rehetra nokarakarain’ny FAT teo aloha indray ve izany sanatria ity Dinika Santatra ity. Lasa ihany ny eritreritra ao anatin’izany rehetra izany hoe : f’angaha tena be vola be mihitsy ity fitondrana tetezamita ity no mikiry manatanteraka zavatra efa fantatra dieny mialoha fa tsy hamaha ny krizy ? Ny vola holaniana sy hampiasaina rahateo moa tsy fantatra mazava ny tena marina aminy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT