Edito

Fa maika ho aiza e ?


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Nampalaza ity fitondrana tetezamita ity hatrany am-piandohana ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny zavatra atao.

 Vokisana resaka sy fampanantenana fotsiny ny vahoaka, fa tsy hita akory izay tena marina. Atoa Andry Rajoelina manokana dia efa malaza maneran-tany izao fa tsy mena-mivadika amin’ny sonia nataony, ary tompondakan’ny fivadibadihan-kevitra. Tsy horesahana eto intsony ny momba ny aferana andramena izay tsy mety hita ny marina hatramin’izao ary mbola misy aza ny kaontenera tafahitsoka any amin’ny nosy manodidina antsika any. Efa resa-be teto koa ny fanondranana volamena an-tsokosoko, tsy lazaina intsony ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy manara-penitra amina faritra maro eto amin’ny nosy. Noho ny antony tsy mbola mazava hatramin’izao dia nanaiky ny nidi-trosa amin’ny Air France ka nividy Airbus A 340 roa isika.

Dokambarotra tsy nisy ohatra izany no nataon’ny ministeran’ny fitaterana sy ny mpitantana ny Air Madagascar. Vao niainga anefa ilay Airbus dia nisy olana teknika, tsy ny iray fa izy roa mihitsy. Nirongatra indray ny asan-dahalo, niditra an-tsehatra Remenabila, voalaza fa misy manampahefana sy mpanambola miray petsapetsa aminy, miaramila efa ho 300 no nalefa tany Atsimo, saingy niveri-maina, ary ny loza dia toa hoe ireo mpitandro ny filaminana indray no lasa mampihorohoro vahoaka sy mitaky vola aminy.

Izao dia niteraka savorovoro teo amin’ny mpiasan’ny Jirama indray ny famindrana ny fitantanana ny rano eto an-drenivohitra amin’ny kaominina. Fa dia tsy maintsy amin’izao tetezamita izao sy amin’ity taona ity ve no hanaovana izany raha tena hatao marina ilay izy ? Tezitra ireo mpiasan’ny Jirama satria amin’izy ireo dia tsy anjaran’ny fitondrana tetezamita no manapa-kevitra ny amin’ny hoavin’ity orinasa ity, fa anjara asan’ny fitondrana mijoro mazava amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika. Tsy fantatra intsony na maika hanao inona na maika ho aiza ireo mitondra izao tetezamita izao fa dia kitikitihana daholo izao zava-drehetra izao, ary any amin’ny ain-dehiben’ny firenena mihitsy. Izay ve ilay fanovana ? Ovaina tsy ho an’ny malagasy intsony ny zava-drehetra eto fa omena ny vahiny izay efa nanjaka sy nambotry an’i Madagasikara teto nandritra ny 96 taona. Tsy misy maharatsy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany mihitsy, fa mba tokony hofidifidiana ihany ireo hiaraha-miasa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT