Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao aloha hatramin’izao ilay resaka fikasana haka ny lapan’i Mahazoarivo toeram-piasan’ny praiminisitra ny alahady alina teo. Sivily sy miaramila ary reservista moa no voalaza fa nifandrimbona saika hanatanteraka izany. Nisy ny efa voasambotra ary mbola mandeha ny fikarohana ireo manamboninahitra sy olon-kafa. Tamin’ny ankapobeny dia maro no lasa fisainana ihany tamin’iny tranga iny. Tahaka izao indrindra ny hevitry ny manamboninahitra efa nisotro ronono momba azy iny : «tsy sanatria fanambaniana ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fanadihadiana eto amintsika, fa matetika haingana loatra ny fisamborana sy famoahan’izy ireo ny porofo rehetra momba ity hoe baomba sy fanonganam-panjakana ity. Andian-jiolahy mpamaky trano na mpanafika banky aza, am-bolana vao tratra.! Ka nahoana no ao anatin’ny iray andro dia fantatra hatramin’ny atidoha nikotrika azy ny fanonganam-panjakana ? Sarotra ny mino izany ho an’ny tena matihanina amin’ny fanaovana fanadihadiana.Na niaiky aza ilay olona tratra dia tsy maintsy manamarina tsara ny zavatra nambarany ny mpanao fanadihadiana fa tsy tonga dia mandefa izany amin’ny haino aman-jerim-panjakana ho hitan’ny vahoaka malagasy rehetra. Ahoana koa moa no ahafantarana raha tena niaiky tamin-kitsim-po ny zavatra nataony marina ilay olona, na noterena hiaiky izany. Sady manana ny zony koa anie, na dia hoe nahavita heloka aza ireny olona ireny fa tsy atao dokambarotra araka izay itiavana azy e !».
Nisy fotoana moa tamin’ny taon-dasa nandritra ireny fisamborana misesisesy ny olona nambara fa mpametraka baomba ireny dia nilaza mihitsy ny diplaomaty vahiny iray fa angamba handefa ny mpanao fanadihadiana momba ny ady amin’ny asa fampihorohoroana any aminy, mba handranto fahaizana sy traikefa aty amintsika satria haingana dia haingana tokoa ary tena maharesy ny fiasan’ireo polisy any amin’ny firenena efa mandroso ny fiasan’ny malagasy. Asa aloha na toraka voninkazo na fanesoana mba ahatonga saina antsika izany, fa ny hita aloha dia be loatra ireo fifanandrifian-javatra ka mahatonga ny olona ho lasa fisainana hanao hoe : fa inona no tena marina ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.