Edito

Fa inona no mampisalasala e ?


  • Talata 01 Septambra 2015

Raha tsy fahampian’ny fitaovana na tsy fananana vola no resahana dia nataon’ny tafika Amerikanina babo tao anatin’ny herinandro i Vietnam, saingy noho ny fitiavan-tanindrazana, ny fikirizana dia nahatohitra ny Amerikanina tsara ny Vietnamianina

 

. Tany anaty zohy no mamboly soja atao sakafo sy ronono mba hampatanjaka izy ireo rehefa potiky ny daroka baomba ny tanimboly sy ny tanimbary. Tsy miady amina firenena i Madagasikara fa misy kosa ireo dahalo mangalatra sy mamono olona ary mampihorohoro amin’ny faritra maro manerana ny nosy. Manana tafika isika, maro be ny manamboninahitra manampahaizana sy nianatra manokana momba ny stratejia ara-miaramila, ny Malagasy aza mandefa zandary sy miaramila hampandry tany any amin’ireo firenen-kafa mikorontana, ka nahoana moa no tsy ho zakantsika ny hifehy ny dahalo ? Inona no manakana ny fanjakana tsy hanao fanafihana mahery vaika satria efa fantatra anie ny misy ny dahalo e ? Afaka miara-miasa amin’ny Amerikanina sy ny Frantsay raha ilaina mampiasa sary avy amin’ny zanabolana hitsirihana ny misy ny malaso. Fa inona no mbola andrasana ? Inona ny mampiahotra ? Sa sao dia ireo dahalo ambony latabatra mpanome baiko sy mpanadio pasipaoron’omby ary aloha no henjehana e ! Dia ho tratra ho azy ny ambiny avy eo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT