Edito

Fa efa voaozona ve isika e ?


  • Alakamisy 08 Aprily 2021

Izay rehetra jerena sy miseho toa miiba avokoa. Sanatrian’ny vava toa mandatsa sy mijoro hamingana antsika ny zava-drehetra.

 

Mandrotika antsika ny valanaretina, mandrava antsika ny fahantrana, mampisara-bazana ny politika,… Mbola baraingo ny ho avy ? Afaka firy andro na firy volana na firy taona vao afaka ny mba hitraka kely ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara. Toa lasa mipetraka handindona antsika mandrakariva ny toe-javatra miiba, hany ka lasa mitodika amin’izany mihitsy ny fiainan’ny Malagasy. Sanatrian’ny vava toa mitady ho lasa firenena voahozona ho resy sy hitanondrika tanteraka i Gasikara. Mila fifohazam-panahy lehibe handresy ny ratsy sy ny tsy mety, mila miova famindra, mila miaiky ny tsy mety sy vonon-kanarina izany,… miainga any amin’ny mpitondra faran-tampony, ka hatraty amin’ny vahoaka farahidiny isika. Samy mila tonga saina, ary mila samy manaiky fa tompon’andraikitra amin’ity firenena ity. Hatramin’izay isika dia mametraka foana hoe: inona no azoko amin’ny firenena, fa ankehitriny kosa dia tokony hahatsapa tena hoe: inona no mba azoko atao ho an’I Madagasikara? Ny politisianina foana no voatondro ho mpamotika firenena, kanefa ny vahoaka ihany koa dia tompon’antoka feno amin’izany. Izy no mametraka ny mpitondra eo, lazaina foana fa mampindrana fahefana ny vahoaka, saingy moa mba tena manome tamberiny ho an’ny olom-pirenena ve ny mpitondra azy? Moa tena mijery izay laharam-pahamehana tadiavin’ny besinimaro ? Misy ilay fitenenana hoe : ny vahoaka maditra matetika mahazo mpitondra adala ka sao sanatria izany no miseho eto amin’ity firenena ity. Tsy nisy Malagasy hisafidy ny hikorosy fahana tahaka izao, saingy ny zava-misy aloha, dia manaiky lembenana amin’ny efa hita fa tsy mety ny ankamaroan’ny Malagasy, tsy taitra intsony,… Sao mba efa kapoka hampisokatra ny masom-panahy izao fa isika no tsy tonga saina ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT