Edito

Fa ahoana ihany ary izy ity e ?


  • Talata 23 Aogositra 2011

Hifarana afaka herinandro ny volana aogositra, fa da tsy hita ihany izay tena fanapahan-kevitry ny itondrana tetezamita, milaza fa tsy maintsy atao ny fifidianana, na misy na tsia fanasoniavana ny sori-dalana, ary tsy olana raha tsy handray anjara aza ny mpanohitra.

 Izay ny kabary sy ny vava be atao etsy sy eroa, fa toa mifanohitra amin’izany ny tena zava-misy : miahotra mamoaka ny datim-pifidianana ny FAT, mihisatra ny fandinihana sy fandaniana ireo lalàna tsy maintsy ilaina amin’ny fifidianana, tsy mbola fantatra ihany hoe inona no hatao maloha, ary manjavozavo ny vola hikarakarana ny fifidiaana. Ny lisi-pifidianana moa dia efa mazava sy mibaribary fa tsy mbola vita araka ny tokony ho izy hatramin’izao fa vonovorona fotsiny ilay hoe : tsy maintsy vita amin’ny 31 jolay ary mivoaka ny datim-pifidianana aorian’io. Fa ahoana ihany ary izy ity e ! Iza marina no manapa-kevitra eto ? Mbola misy fanjakana ihany ve sa mitombina ny resaka an-jorony milaza fa fanjakana ao an-dapa fotsiny no mijoro eto !

Tsy ny mpanohitra ihany fa na ny mpomba ny FAT aza dia manomboka efa leo ny sangodim-paninana ataon’ireo milaza azy fa manam-pahefana, toa te haka ny lohany kanefa matahotra ny masony izy ireo. Ny mitolona eny amin’ny Magro moa dia efa tsy gaga intsony raha misy amin’izy ireo, na ny mpitarika ho voasambotra indray ato ho ato dia lazaina fa terôrista sy mpamono olona. Toa mifandimby ahitana baomba sy grenady eny amin’ny tranon’ireo olona ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary tonga dia haingana be ny fanadihadiana milaza avy eo fa olon’ny mpanohitra ireny. Nahoana anefa no mihisatra ny famoahana ny anaran’ireo rehetra voarohirohy amin’ny raharaha andramena, mailaka ery anefa ny FAT mandany vola amina miliara hampiantranoana ny AfroBasket Men dia rehefa voasiotsioka sy horakorahan’ny olona vao tera-tsemboka sy gaga, dia lazaina indray fa olona avy eny amin’ny Magro ireny.

F’angaha moa misy aman’arivony ny olona ao amin’ny magro ? Dia mihodinkodina am-pitoerana ny FAT mandany andro mivory etsy sy eroa fa ny eo ihany no eo, tsy misy miova, mbola mitoetra ny krizy ary tsy mahavaha azy Rajoelina sy ny ekipany, saingy tsy mety miaiky ny fahadisoan’izy ireo ary milaza foana fa an’ny hafa ny fahadisoana, dia ny olona any ivelany foana no lazaina fa manakorontana. Dia ahoana ihany ary izy ity e ? Sa hanolo praiminisitra indray ato ho ato dia ampitomboina ny isan’ny minisitra sy ny mpikambana ao amin’ny Parlemanta dia lazaina fa efa tena misokatra amin’ny ankolafy rehetra io. Tsy filma efa nandeha ve izany, ary tsy vao indray mandeha ah ! Fa ny azo antoka aloha raha vao mitady ho tapi-dalan-kaleha eo ny FAT dia ho avy indray ny fisamborana sy ny fakàna am-bavany mba hamonoana vorona ny mpanohitra, satria tahaka ny mandaitra ihany ilay izy rehefa miverimberina. Saingy tsy mitovy amin’ny zava-nisy tamin’ny 2009 – 2010 intsony no mitranga ankehitriny satria mitombo ny fahasahiranan’ny olona ary tena maro be ireo tsy matoky intsony ny FAT noho ny fivadibadihany amin’ny zavatra teneniny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT