Edito

Esy e ry Mondial e !


  • Alarobia 09 Jona 2010


Higadona afaka 24 ora ny fotoan-dehibe iray anisan’ny andrandrain’ny olona maro eran’izao tontolo izao, dia ny «Mondial» izany. Ao Afrika Atsimo, firenena 400km monja miala ny morontsiraka malagasy, no hanatanterahana azy amin’ity andiany faha-19 ity. Iza no tsy maniry ny mba ho any hiaina izany, saingy ny eritreritra sy ny faniriana no mamelovelo ao ampon’ny Malagasy fa dia voafetran’ny hoenti-manana ihany izany. Ary ny mpitondra ankehitriny, dia ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) izany, mba ahoana ny amin’izy ireo ? Voaasa na dia hanatrika ihany ny lanonana fanokafana ofisialy ity lanonan’ny baolina kitra ity ve, sa voagejan’ny sazy ?

Raha ny lojikan’ny fahatongavan’i Joseph Blatter, filohan’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra teto Madagasikara ny volana martsa 2010 lasa teo sy ny vaovao novoizin’ny FAT tamin’izany ka nilazana fa midika ho fankatoavana iraisam-pirenena mihoatra lavitra noho ny an’ny Firenena Mikambana ny fahatongavan’io tompon’andraikitra io teto, dia tsy isalasana na dia iray minitra monja aza ny tokony hahazoan’ny filohan’ny FAT fanasana ho amin’izany fotoan-dehiben’ny baolina kitra izany, izay sambany rahateo no hatao aty Afrika, na tsy manana solontena mandray anjara amin’izany «Mondial» aza ny Malagasy. Hatreto anefa tsy re be tsy re kely ny fisian’ny delegasiona FAT ho atsy Afrika Atsimo, hanatrika na dia ny fanokafana amin’ny zoma ihany aza. Tsy ho navelan’ny FAT hangingina fotsiny amin’izao mantsy izany raha nisy, fa tsy maintsy ho nankalazaina. Ny filoha Marc Ravalomanana, izay efa any Afrika Atsimo rahateo, anefa nahazo fanasana ho amin’ny lanonana hatao ao amin’ny kianjan’i Johannesburg amin’ny zoma io. Dia hionona amin’ilay tabilao be etsy Mahamasina sisa izany ny FAT. Sa izay no tonga amin’ny hoe : jereo kely ny tabilao ! Esy e ry Mondial e ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT