Edito

Erikerika mahatondra-drano


  • Talata 29 Mey 2012

Lavalava ny andro tsy niasana nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny fetin’ny pentekosta, izay nataon’ny mpino kristianina maneran-tany hahatsiarovana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy.

 Samy mba niezaka niala kely tamin’ny rotorotom-piainana mahazatra ny tsirairay avy. Tao ny mba nifety kely niaraka tamin’ny fianakaviana, nisy ihany koa ny nisafidy ny hisintaka kely mihitsy ny renivohitra tamin’ny alalan’ny fitsangantsanganana. Fa nisy ihany koa ireo tsy afa-nanoatra fa dia tahaka ny isan’andro ary ny omaly tsy niova ihany ny fiainana. Fahasahiranana, tsy fahampian’ny vola, fitaintainana…satria tena mbola maizina ny hoavy, ny zanaka sady tsy ampy sakafo no tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fianarany, na andro na alina dia atahorana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Raha mandeha taksibe, mampanahy ny fisian’ny mpangaro-paosy ; eny an-dalambe rehetra eny mety hisy ny mpanendaka na koa baomba mipoaka tampoka satria toa izay indray mantsy no malaza tato ho ato.

Ny fiainam-pirenena koa amin’ny ankapobeny tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Raha atao hoe mety, tahaka ny hikipy maso amin’ny zava-misy, raha ambara kosa indray hoe tsy mety toa manakivy ireo rehetra mikaroka ny vahaolama ivoahana amin’ny krizy no sady manome tsiny lava ny mpitondra. Ny hita sy tsapa anefa dia tsy milamina eto. Isaky ny sabotsy izany dia hisy foana ny fidinana an-dalambe sy fifandonana eo amin’ny samy sivily. Dia mba ahoana moa no tena andraikitry ny mpitandro ny filaminana amin’izany ? Fa inona marina moa ny tena olana goavana ho an’ny mpitondra ka mahatonga ny fanakanana ny fanehoan-kevitra ao Ambohijatovo ? Manaratsy endrika hatrany an’i Andry Rajoelina ny fanakatonana io Kianjan’ny demokrasia io, satria izy tenany no nanokatra an’io fony izy Ben’ny tanàna sy nitarika ny vahoaka nidina an-dalambe sy hanongam-panjakana, saingy rehefa lasa filoha izy dia tsy mahazo maneho hevitra ao intsony ny hafa. Ny fifidianana ankehitriny no tena mahamaika ny filohan’ny tetezamita, toa tsy mahataitra firy azy kosa ny fitokonana etsy sy eroa, izay erikerika mety hahatondra-drano anefa. Efa mba mahafantatra ve i Andry Rajoelina fa misy anie ny sekolim-panjakana nikatona efa ho roa volana izao toy ny any Toamasina sy Toliara ? Raha tsy hahavita hanome fahafaham-po ireo sendika ny tetezamita, dia inona ny vahaolana vonjimaika azo ifanarahana satria tsy fihetsika mpitondra izany tonga dia mionona izany fa hoe : tsy vita ilay izy, dia izay izany no izy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT