Edito

Eo ny krizy, fa be koa ireo mpanararaotra


  • Zoma 11 Febroary 2011


Araka ny filazan’ireo mpivarotra vary antsinjarany eny an-tsena dia hatrany am-potony mihitsy, izany hoe any amin’ireo mpambongady no miakatra ny vidin’ny vary tato ho ato izay. Nahitana fiakarany 5000 Ar ka hatramin’ny 10 000 Ar ny gony araka ny nambaran’ny mpivarotra iray. Azo antoka fa tsy maintsy hiakatra ny vidin’ny vary eny an-tsena amin’ny faran’ity herinandro ity, na amin’ny herinandro ambony. Tsy hisy intsony ny vary amidy latsaky ny 1400 Ar ny kilao, afa tsy ny vary «stock», ary na dia amin’izao fotoana aza dia efa tazana eny an-tsena ny vary 1600 Ar. Nisy fotoana naharitraritra ihany teo aloha teo nampanjavona tanteraka ireo vary amidy mora (1180 ar ny kilao) teny an-tsena saingy efa manomboka niverina indray ny fanatobahana izany eny amin’ny tsena nanomboka ny alarobia lasa teo.

Efa misy ny fanaraha-maso ataon’ny ao amin’ny ministeran’ny varotra sy ny manampahefana isan-tsokajiny mba hialàna amin’ny mety risoriso sy fanararaotana ataon’ireo mpambongady momba ny PPN eto amintsika amin’izao fotoana, satria tsy ny vary ihany no nahitana sondro-bidy fa ny menaka sy ny siramamy ary ny lafarinina ihany koa. Tsy zava-baovao anefa raha ny tena marina izany fa efa hatrizay no maro be ireo mpanangom-bokatra sy mpambongady lasa manankarena sy mpanefoefo noho ireo fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidim-bary io, ary raha ny hita sy tsikaritra dia vao mainka nahazo laka izy ireo amin’izao fotoana.

Misy teratany vahiny, voalaza fa mahafantatra olona ao ambonimbony ao amin’izy ireo ary milaza ny tsy matahotra n’iza n’iza mihitsy. Tsy ny fanafarana vary avy any ivelany an’aliny taonina eto no hampidina ny vidim-bary araka ny filazan’ny mpahay toekarena iray fa ny fanamafisana ny fanaraha-maso ireo tahiry, amin’ny maha tany mahantra antsika ihany koa dia tsy tokony hampiharina bontolo eto fa asiana fepetra ilay fanalalahana ara-toekarena. Ka araka ny fanazavan’ity mpahay toekarena ity ihany dia tokony mandray andraikitra ny fitondrana tetezamita ka mametra ny vidin’ireo PPN fa tsy ny mpivarotra no avela hanao izay mety aminy. Raha tsorina izany dia fahalalahana voaara-maso no tokony hampiharina eto. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny hevitry ny federasionina miaro ny zon’ny mpanjifa araka ny nambaran’ny filohany Rakotovao Lyms, ka aminy dia tokony hisy ny fihaonana an-databatra boribory eo amin’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha ary ny solontenan’ny mpanjifa mba hikarohana ny vahaolana amin’ity fiovaovan’ny vidin’entana miteraka fahasahiranana ho an’ny valalabemandry ity.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT