Edito

Eo am-pandrasana mahita ny atiny e !


  • Zoma 25 Janoary 2019

Tafatsangana ny governemanta vaovao heverin’ny filoham-pirenena fa hahavita ireo veliranony sy fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka.

 Maro ny zavatra notanisaina, ka dia aleo ho hita eo amin’izay ny fomba fiasany. Tsy dia hiadian-kevitra firy aloha fa ny mirary soa ho azy ireo aza no atao, indrindra fa ireo heverina ho teknisianina notsongaina manokana. Tsy afaka hitsaratsara azy ireo dieny ety am-piandohana isika, fa aleo eo am-pandrasana mahita ny atiny, hoy ilay fomba fiteny izay. Misy kosa ireo mpanao politika efa hita ihany ny nafitsony teto. Misy ny tsapa ho nahazo ny valim-babeny tamin’ny mety ho ezaka nataony tamin’ny fampandaniana ilay filoha tamin’ny propagandy. Tao ireo izay efa fanta-daza sy tsikaritra ho nalaza ratsy tany aloha, toy ny tamin’ny resaka famarotan-tanindrazana mivantana na an-kolaka, ny fandranitana sy fihantsiana ara-politika, ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny zo fototra maha olona,.... Miandry vokatra izany isika mianakavy aloha. Raha ity governemanta ity rahateo no jerena, dia nalalaka tsara tamin’ny fanapahan-keviny ilay filoha. Tsy misy avy amin’ny ankolafin-kery sokajiana ho mpanohitra na koa hoe handeha hanao sakantsakana ao anatiny ao, fa dia mibanabana ny lalana mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny velirano raha ny fahitana azy.  Endriky ny demokrasia rahateo izany, ary ilain’ny firenena ny fifandanjan-kery, ka mba ho avy amin’ny angady sy ny harona ny avy aty amin’ny sokajiana ho ankolafin’ny mpanohitra eo anatrehan’ny mety ho zavatra mamohehatra e ! Mbola misy ihany koa ny fifidianana ho avy hahafaha-manamafy io fifandanjan-kery io fa ny hirariana dia handeha madio amin’izay ny lalao. Sao mantsy dia hihevitra hatrany ny mbola hanao lalan-dririnina. Mety nahomby iny fakana iny fahefana iny satria nisy ny fandeferana, fa raha ny manaraka eo no mbola hiseho ny tahaka izany dia asa lahy. Rehefa tena feno, hono, ny kapoaka tsy maintsy hitobaka ihany e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT