Roso hatrany ny dia mankany amin’ny fifidianana. Mandeha ny fanomezan-toky avy amin’ny mpikarakara isan-tsokajiny fa dia tena handeha amin’ny laoniny tokoa io na eo aza ny mpanao politika sasany mivoy sy miezaka milaza fa tsy hisy zava-banona eto.
Hatramin’ny kandida sasany aza moa milaza an’izany. Tsaroana tsara anefa ny tenin’ny Amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny fanehoan-keviny farany fa “misy efa mampiditra basy maro be eto raha ny loharanom-baovaonay”. Tsy hisy fepetra feno 100% izany eto, ary tsy hisy ho afa-po tanteraka amin’ny fikarakana ny fifidianana. Tsy tokony hisy ny fanentsenan-tadiny eo anatrehan’ireny ahiahy sy kihana ireny fa mila fotorina sy jerena tsara sao hisy zava-doza tsy hampoizina eo tokoa, ka miainga amin’ireny kiana samihafa ireny no hiaingan’ny fanatsarana. Raha misy tokoa, ohatra, izay efa fampidirana fitaovam-piadiana izay, moa ve mba efa mandeha ny fanadihadiana ny tompon’antoka ? Avy aiza ireo fitaovam-piadiana ? Inona no tanjona ? Sa kosa hosokajiana tahaka ny ampamoakan’ilay manamboninahitra iray nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 hoe : tsy dia salama saina tsara rehefa nilaza ny zava-niseho sy ny fiaikena fa nanongam-panjakana ? Efa tany amin’ny 5 taona lasa dia efa fantatra fa hisy ny fifidianana nahafahana niomana, ka sao dia efa tahotra sy tsy fahavononana tsotr’izao ny an’ny sasany ? Sao sanatria miantehitra ny tsy hifofotra no tsy hively farihy fa manantena vintana ara-politika amin’ny alalan’ny fifampizarana seza fotsiny ? Ahiahy avokoa ireny rehetra ireny fa raha ny zava-misy aloha dia miandry izay higadonany isika, ary tsy hay izay tena hiseho eto na ho tafavoaka soa aman-tsara na hifamango eto indray. Eo am-pandrasana mahita ny atiny e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.