Anio tolakandro no hifamotoana eny ami’ny lapam-panjakan’Iavoloha Atoa Andry Rajoelina mivady sy ireo vahiny nasaina tsy mihoatra ny 2 800, ao anatin’ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2011. Tahaka ny fanao isan-taona tokoa dia amin’ity 14 janoray ity izany no hanatanterahana ny lanonam-be arahana hanim-pitoloha eny Iavoloha. Raha ny tena marina moa dia andro iray natokan’ny andrim-panjakana rehetra sy ireo masoivoho monina sy miasa eto amintsika iarahabana ny filoham-pirenena sy ramatoa vadiny ity andro ity, ka hifandimby ao ny lahatenin’ireo filohan’ny andrim-panjakana sy ny zokiolona indrindra amin’ireo masoivoho vahiny tamin’ny fotoana niasana teto, saingy tsy hisy ity farany satria ho raharahan’ny samy Malagasy toy ny niseho tato anatin’ny roa taona izao ny eny. Mamarana ny fitenenana moa ny filoham-pirenena, filoham-panjakana moa izy eto, ka ny andrasan’ny maro matetika dia ilay fampisondrotana ny karama, matetika eo amin’ny 10% izy io, rehefa atao ny salan’isa tatao anatin’izay taona maro izay.
Ny mpiasam-panjakana no tena mahazo tombony amin’izy io matetika fa tsy voatery hanaraka ilay fampisondrotana kosa ny any amin’ny sehatra tsy miankina fa dia miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny lehiben’ny orinasa. Nisy io fampisondrotana io tamin’ny 2010 na dia tao anatin’ny krizy tanteraka aza isika, koa dia efa miandrandra indray ny rehetra fa tsy handiso fanantenana ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita, fa dia hofaranany amin’io vaovao tsara io, aorian’ny fitanisany ny zava-nitranga sy ny zava-bita ary ireo vinavina ho amin’ny hoavy. Iny eo ihany, fa anisan’ny fomba nahazatra hatrizay ihany koa ny fanafoanan-tsazy ataon’ny filoha ho an’ireo voafonja amin’ny voalohan’ny taona tahaka izao, ka dia ho hita eo ny hambaran’i Andry Rajoelina, na hanao izany na hiandry mihitsy ny fandanian’ny parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, izay tsy fantatra hoe rahoviana no mety handinihana azy. Samy hafa tanteraka anefa ireo fepetra roa ireo, ny iray fampihenan-tsazy, ary ny iray fanafoanana sy famafana tanteraka mihitsy ny heloka.
Fa ny mampitovy azy roa ireo dia samy azon’ny filoham-pirenena tanterahana amin’ny alalan’ny famoahana didy hitsivolana izy ireo, na misy na tsy misy fandinihan’ny parlemanta azy. Fa momba ny raharaham-pirenena manokana, dia miandry fatratra izay ho ambaran’i Andry Rajoelina ihany koa ny vahoaka Malagasy sy ny mpanao politika ary ny sehatra iraisam-pirenena . Raha iny taon-dasa iny mantsy no jerena dia, efa in-telo nivadi-dela ka nihemotra tamin’ny nambarany indray i Andry Rajoelina sy ny FAT raha resaka datim-pifidianana no resahana. Nilaza ny hanohy ny lalana irery ihany koa izy ireo ary niezaka ny nampiseho fa tsy mila ny fankatoavana avy any ivelany ary tsy miraharaha ny hevitry ny ankolafy hafa. Toa ny mifanohitra tanteraka amin’izany anefa no nitranga tato anatin’ny iray volana izay satria nanaiky ny hifampiresaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana ihany ny ankolafy Rajoelina, ary efa nisy mihitsy aza ny karazana fehin-kevitra voasoratra momba izany, fa miandry ny sonian’izy mirahalahy mianaka ny tohiny. Ho hita amin’ity anio ity ihany koa raha ho avy eny Iavoloha na handefa solontena fotsiny ireo masoivoho, ary mahaliana ny rehetra ihany koa ny mety ho kabarin’ny solontenan’izy ireo, raha misy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.