Edito

Eny ambony rahona


  • Talata 24 Aprily 2012

Mampatsiahy ny zava-misy eto amintsika ny nitranga tany amin’ny nosy Barhein ny sabotsy lasa teo.

 Na dia teo aza ny fihetsiketsehana an-dalambe nataon’ny olona mba hanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany amin’ny jadona ataon’ny fitondrana, dia tsy nampihetsi-bolomaso ny mpitondra izany fa dia mbola notanterahana ihany ny Grand Prix de Bahrein amin’ny familiana «Formule 1». Nodarohana tamin’ny lakrimozenina ny mpanao fihetsiketsehana. Nisy mihitsy moa ny tovolahy iray maty. Maromaro ireo naratra sy nosamborin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy dia mahagaga moa ny fanapahan-kevitry ny mpitondra tany an-toerana satria mbola andriamanjaka no any, ka rehefa miteny ny printsy na ny mpanjakana, dia izay no izy izay no marina ary izay no tsy maintsy arahana sy tanterahana. Nisonenika, nifaly, nifety ireo mpijery ny fifaninanana mamily «Formule 1», tao anatin’ilay toerana midadasika, manara-penitra natokana ho amin’izany. Miditra ny vola ho an’ireo orinasan-tserasera manao dokambarotra, ary dia fety be ihany koa rehefa vita ny fifaninanana. Ny tena zava-misy ety ivelany anefa dia mahatsiaro ho mijaly sy voaporitry ny fitondrana jadona, tsy refesi-mandidy ivelany ny vahoaka. Ahiana mihitsy ny hipoahan’ny revolisionina tahaka ny efa nitranga tany Tonizia sy Ejipta ary Yemen any amin’ity firenena Arabo tena manankarena ity.

Manankarena i Barhein satria manana solika sy gazy natoraly. Afaka manao izay tiany ary tsy miasa saina amin’ny vola mivoaka izany ny mpitondra any an-toerana sy ireo mpandraharaha mahazo tombontsoa amin’ny fitrandrahana ny solika. Manomboka mifoha amin’ny torimasony anefa ny vahoaka ka mangetaheta demokrasia, fahalalahana ary fitsinjarana tsy mitanila ny harem-pirenena. Tsy misy maharatsy mihitsy ny fanaovana hetsika, na ara-koltoraly io, na ara-panatanjahantena. Azo atao tsara ny manorina kianja sy toerana goavana filanonana, manara-penitra, saingy amin’ny fotoana mahamety azy, no hanaovana izany fa tsy amin’ny fotoana maha noana ny vahoaka sy handalovan’ny krizy ao amin’ny firenena. Dia asa aloha raha zatra mijery sarimihetsika, na horonantsary fanadihadiana momba ireo zava-mahafinaritra vitan’ny mpanakarena any ampita any ny filohan’ny tetezamita, ka lasa manonofy sy misavoana ambony rahona. Aiza ka andramena ve no ambolena eto Antananarivo ! Raha ny fihetsiny tato ho ato izay dia mampametra-panontaniana mihitsy hoe : fantany tsara ve fa anaty krizy tena mafy i Madagasikara ? Efa romotra ny olona ka mety hahavita zavatra tsy azo eritreretin’ny saina akory ? Tsapany ve fa diso lalana ny politika nitondrany ity firenena ity, ary izy no tompon’andraikitra voalohany amin’izany, fa tsy ny hafa satria izy no filoham-panjakana eto aloha izao ! Mbola misy filoha ihany ve eto e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT