Mbola mahoraka ihany aloha ny resaka fifidianana eto amintsika, indrindra fa taorian’ny nahalany fanindroany indray an’i Barack Obama, dia toa samy misomebiseby daholo izany ny rehetra ary samy manonofy fifidianana madio sy mangarahara.
Mbola sarotra anefa ny hahatongavana amin’izany, raha mbola tahaka izao ihany ny zava-misy sy ny fomba fisainana eto Madagasikara. Mikatso ny asa fanelanelanana matoa miditra an-tsehatra i Joaquim Chissano. Tsy mety mihatra ara-dalàna, herintaona sy roa volana aty aorian’ny nanasoniavana azy ny tondrozotra, ambara fa lalan-tokana ivoahana amin’ny krizy. Mbola olana goavana ho ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny sehatra iraisam-pirenena anefa toa mitaky fifidianana tsy misy fanilikilihana ary tsy hanome vola mihitsy raha toa ka mbola mahatsikaritra zavatra hafahafa. Amin’ny 8 mey 2013 no fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Farafahatarany izany dia efa eto Madagasikara daholo, masin’andro amin’ity anio 08 novambra ity ireo kandida rehetra ho fanajana ilay hoe enim-bolana mialoha ny fifidianana dia tsy maintsy efa mipetraka eto Madagasikara izay ho kandida, saingy ny ankolafy Ravalomanana moa dia tsy mikorapaka firy amin’io resaka fe-potoana io fa amin’izy ireo dia tsy maintsy misy ny fepetra manokana raisina, amin’ny vanim-potoana hafakely tahaka izao. Hatreto mantsy dia tsy mbola fantatra mihitsy izay daty mety hiverenan’i Dada, kanefa raha migadona eo ny volana desambra, ka tsy tonga izy dia azo antoka fa amin’ny herintaona indray vao mety hifankahita satria hamorona izao zavatra rehetra izao ny FAT mba hanakanana azy sy hilazana hoe aleo aloha mba hanomana fety milamina ny Malagasy fa aza adalaina amin’ny resaka politika. Ilay NOTAM hafakely koa moa dia mbola manankery hatramin’ny 25 janoary 2013 ka sarotsarotra ihany ny fandehan’ny raharaha.
Ny andrasana fotsiny izao dia ny mety ho vokatr’ilay fanelanelanana nataon’i Joaquim Chissano. Mety hanova zavatra araka ny fiheverana azy marina ve ilay izy, sa lasa fihetsiketsehana fotsiny ihany tahaka ny efa nataon’ny SADC hatramin’izay ? Higadona afaka enim-bolana katroka anio ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, tsy misy mbola milamina anefa ny zava-drehetra, na ny momba ireo kandida io, na ny fanisana ny mpifidy, na ny vola hoenti-manana hanaovana izany fifidianana izany. Ilay hoe fitoniana sy filaminana aloha dia tsy misy e ! Ka inona moa izany fa dia mety ho rava indray ny tsena e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.