Isan-karazany mihitsy izay kabary re teto izay tao anatin'ny iray volana sy tapany.Tsapa ho niha nalaza eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara noho ilay Tambavy CVO.
Tsy hirosoana lalina ny adihevitra fa ny tsara apetraka tsara dia novokarina avy amina zavamaniry misy eto Madagasikara, nanaovan'ny manampahaizana Malagasy fikarohana izy io.Tsy iadian-kevitra ihany koa fa anisan'ny mafy amin'ny resaka raokandro sy fanafody azo avy amin'ny zavamaniry ny Malagasy.Tsy tokony hahagaga firy noho izany ny famokarana tambavy.Ny mahatonga ny adihevitra dia ilay fomba namoahana sy nampahafantarana ilay Tambavy CVO sy ny dokam-barotra narahan-tserasera matanjaka be niaraka taminy ary ny resaka vola...fa hoe hanondrana sy hivarotra amina firenena maro isika.Ataovy mazava ny fepetra, mangaraharaha ny fitantanana, sao dia tokony hamoronana fehezan-dalàna vaovao mihitsy izy io satria harem-pirenena anie izany no aondrana e.Sao lasa tahaka ny hazo sarobidy eo indray ka ny any ivelany no migalabona ary olom-bitsy, tena vitsy eto an-toerana no mameno paosy.Iza moa no haniry loza, fa samy te hanana fiainana milamina eto, samy te hirehareha fa mahavita zavatra tsara ny Malagasy, samy te ho salama sy bolangina, samy te hiaina am-pitoniana.Fa ny ahiahy tsy hihavanana, ny hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao raha ary ny vy tsy mikitrana irery.Tsy ny fahalavan'ny kabary tsy akory no mampazava ny resaka fa ny fanaporofoana imasoimaso fa natao sy notanterahana izay nambara.Zavatra mitombina no resahana, ary ny zavatra mitombina azo tanterahana tsara. Enga anie ka Tambavy mangidy hampamamy ny fiainana marina no misy fa tsy ny fiainana mba nisy maminy kely no ho lasa mangidy noho ny kajy an-databatra diso.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.